FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Hoy Jesoa : « vahao izy, dia ento ety amiko »

Hoy Jesoa : « vahao izy, dia ento ety amiko »

Publié le 30 mars 2021 à 08:03

Alahady 28 martsa 2021, andro voalohany @ herinandro masina, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 21; 1-10 : « 1ARY raha nanakaiky an’i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento et? amiko. 3Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy.4Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:5,,Lazao amin’i Ziona zanakavavy;Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao,Malemy fanahy sady mitaingina boriky,Dia zanaky ny boriky miasa’’ (Zak. 9.9).6Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’i Jesosy azy, 7dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. 8Ary ny ankabiazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dàlana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dàlana koa izany. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe:Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!Hosana any amin’ny avo indrindra (Sal. 118.26).10Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao? 11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia. »


Lire aussi

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :

01/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao. Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe