Hotohizana indray ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo
Manohy ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo ny fiangonana ankehitriny, koa natolotra ny fiangonana tamin’ny 01 desambra 2013 teo ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny komity :
– Ny talen’ny famoahana : RAKOTONIERA Christian Eric
– Ny tonian’ny fanoratana : RALAMBOMAHAY Tahiry
– Ny mpanoratra : RALAMBOMAHAY Mirana, RAKOTOSOLOFO Andry, ANDRIANARIVELO Tahiriniaina, RANARIJAONA Tsifasoa, MAHETSAKARIVO Mbolaniaina
– Mpikirakira ny pejy : DISAINE Rija, RAKOTONDRABE Riana
– Mpitahiry vola : RAVELOSON Rado
– Mpitantsoratry ny fivoriana : ANDRIANARIVELO Mbola, RAMANANTSOA Ny Avoko
– Mpandrindra ankapobeany : RANDRIA Patrick, ANDRIAMAHATSANGY Lahatra
– Tompon’andraikitry ny tranonkala : RAVELOSON Hery Nandrianina
Koa dia am-pifaliana tokoa no handraisana izany fanohizana ny famoahana ny gazety izany, noho ny faneken’ireto havantsika ireto hanetsika indray izany. Amin’ny volana Janoary 2014 izany no havoaka indray izany gazety Akon’Ambavahadimitafo izany ho antsika rehetra, ka misaotra antsika sahady mitondra am-bavaka izany asa masina napetraky ny Tompo tamin’izy ireo izany, kanefa dia tanterahin’izy ireo am-pitiavana sy amin’ny fifaliana tokoa.