Ho avy Jesoa ka mamerina ny olona ho @ fahalalàna marina ny Soratra Masina
Alahady 10 desambra, natokana hitondrana am-bavaka ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy », nitondran’ny Prezida Synodaly Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21 : 15-17 « 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!–dia tezitra izy 16ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ,,Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’’ (Sal. 8.2)? 17Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy »
Manàsa anao hiombona @izany fanompoam