FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily

Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Mifikira amin’ny tsara (Romana 12:9)
« Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily »

Ireo no teny faneva nofinidin’ny komitin’ny faha 90 taonan’ny Tily et Madagasikara ary ankalazaina manomboka izao izany.

Niantomboka tamin’ny 1924 ny fitaizana skotisma teto Madagasikara, ary raha ny FJKM  Ambavahadimitafo manokana dia tamin’ny andron’nympitandrina Ralambomahay tamin’ny 1949.

Ny Jeneraly Raveloarison (Loholona eto amin’ny fiangonana) no voafidy hitarika ny komitin-jobily faha 90 taonan’ny Tily eto Madagasikara, koa manentana ny fiangonana izy noho ireo tanjona telo nofinidin’ny komitin-jobily :
– fanetsehana ny hery rehetra eto amin’ny fikambanana
– fanomezana hery sy aina vao ny fikambanana
– fivohizana toe-tsaina sintomina amin’ireo teny faneva

Amin’ny asabotsy 9 novambra 2013 amin’ny 9 ora ao @ Ecole Normale Supérieur Ampefiloha dia hisy ny hatrikasa handinihana ireo asa rehetra hotanterahina, izay ahitana vaomiera aim-panahy, lasin-jobily, vola, mpitan-tsoratra…
Ny hariva kosa dia hisy ny Tolakandro Ainga Jobily izay hanangonana ny hery rehetra koa manentana ny fiangonana manontolo sy ireo namana rehetra nandalo tao amin’izany fitaizana Tily izany ary ireo izay mbola ao, koa manasa izay manam-pikasana hanohana ny Komitin-jobily mba ho avy any ary hanao tolo-tànana ary handrotsaka izay fohy noho izany.

Amin’ny 30 novambra 2013 kosa no fanokafana ny taon-jobily ao @ Palais des Sports Mahamasina ka hisy fanompoam-pivavahana hanamarihana izany, ary korana ihany koa.
Hofaranana amin’ny lasy lehibe any amin’ny volana aogositra 2014 izany fankalazana izany ary marihina fa manerana ny Madagasikara ny fankalazana.

Nanao tsiahy vetivety ny mpitandrina Rakotoniera Eric fa avy amin’ny Tily no niainga ny FFPM : fampiraisana ny fiangonana loterana sy reformée.
Avy amin’izy ireny no niainga ny hafanam-po hoe mba hisy fanekem-pinoana hiraisana, fihirana hiraisana (1975)… Koa nampahery azy ireo ny mpitandrina.


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :