FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fizotry ny fandraisan-tànana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Fizotry ny fandraisan-tànana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 04 décembre 2013 à 12:12

Andriamatoa RANDRIAMAHAZOMANANA Jacquis, filoha lefitry ny fiangonana, no nitarika ny fotoana  fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Chrisitian Eric mianakavy.

Fanolorana sy tsiahy

Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nisy tokoa ny fitantanan’Andriamanitra ka nahatongavana amin’izao fandraisan-tànana ny mpitandrina izao; dia ny 13 mey 2013, rehefa nanontaniana isika loholona sy diakona ary mpandray fanasan’ny Tompo dia nisafidy fa hotohizana ny fiara-miasa amin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric mianakavy ka hanatanteraka ny fandraisan-tànana azy ireo eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Rahoviana ary no horaisin-tànana ny mpitandrina mianakavy…

Ny biraom-piangonana kosa, tao anatin’ny vavaka sy ny fizahan-toetra no efa nangataka sahady tamin’ny Tompo hoe rahoviana no horaisin-tànana ny mpitandrina mianakavy. Ny valin-tenin’ny mpitandrina tamin’ny Biraom-piangonana moa tamin’izany dia ny hoe : aza maika ianareo fa aleo aloha isika hiara-hiasa, ka amin’ny fotoana manaraka izany no hataontsika, amin’ny herintaona, roa taona, na rehefa vita ny fanavaozana ny Akany Daniel Ralibera (Tsangambaton’ny faha-150 taona hezahina vitaina 2013 – 2015)…

Ny fiangonana kosa anefa dia tsy nanaiky an’izany ka nanapa-kevitra fa hangataka amin’Andriamanitra ny mba hanatanterahana izany fandraisan-tànana izany tamin’ity taona ity. Rehefa nanantona ny Synoda sy ny Birao Foibe FJKM ny biraom-piangonana dia nampiany sy nampianariny ary namporisihina tokoa mba hitondra am-bavaka izany fandraisan-tànana izany

Ivon’ny fandraisan-tànana

Tanteraka izany, anio 01 desambra 2013, ka nisolo tena ny fiangonana manontolo, nandray tànana ny mpitandrina mianakavy teny amin’ny alitara : ny Biraom-piangonana, ny biraon’ny loholona sy diakona, ny komitin’ny fandraisan-tànana, ny filohan’ny sampana rehetra, ny filohan’ny komity rehetra.

Notolorana tamin’izany ny Certificat na takela-pahatsiarovana ho fanamarihana izany fandraisan-tànana izany.

Fandraisam-pitenenana

Nifandimby nandray fitenena kosa tao aorian’izany :

  • ny filohan’ny firaisan’ny Loholona sy Diakona, RALIBERA Henri, izay nampatsiahy indrindra ny faneken’ny Diakona faharoa : « Ho naman’ny mpitandrina ka hiara-miasa aminy amin’ny fahazotoana eo amin’ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra ».
  • ny mpitandrina Rakotoniera Eric, nanatanteraka ny fanekena sy vina ary faniriany ho an’ny fiangonana Ambavahadimitafo, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny rehetra nanohana izao fotoan-dehibe izao, ary notsongaina indrindra ny namorona ny feon-kiran’ny hira fanamarihana ny fandraisan-tànana : Ralibera Henri Andriamalala mivady.
  • ny solon-tenan’ny fiankaviana Rakotoniera Eric mianakavy, Andriamatoa Kalo Miaina, nitondra ny tenin’ny fianakaviana
  • tononkalo nentin’ny Loholona RALAMBOTIANA Georges
  • namarana ny fandraisam-pitenenana kosa ny filohan’ny komitin’ny Fandraisan-tànana, andriamatoa RAZAFINDRAIBE Paulin, diakona

Natolotra ireo fanomezana

Rehefa vita izany dia natolotra ny fanomezana samihafa ho marika hita maso, ho fankasitrahana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric :
– fiara VOLKSWAGEN GOLF Type 3 GT, nivoaka ny 3 avril 1996, 6cv, 5 places, essence, toutes options, n°3426TAH
– ny biraom-piangonana, ny sampana samihafa dia nifandimby nanolotra fanomezana tao aorian’izany

… ho hitanao tsy ho ela eto ny sary


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :