Fitsangatsanganan'ny fiangonana teny Bevalala
Notanterahana ny fitsangatsangana fanaon’ny fiangonana isan-taona.
Tany Mahatolo – Bevalala ( Antananarivo Atsimondrano) no niarahan’ny fiangonana tamin’izany.
Teo amin’ny 750 teo no isan’ny mpiangona tonga niara-nifaly, nilalao sy nikorana teny.
Samy nahazo izay anjara tandrify azy teny daholo na ny lehibe na ny kely, tamin’ny alalan’ny kilalao sy fampilalaovana maro samihafa toy ny karatra, ny volley, ny foot, ny toraka kapoaka, ny bitro-voalavo, ny hirahira, sns…
Tamin’io fotoana io ihany koa no nizarana ny loka (coupe, baolina, sns…) ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena nokarakarain’ny STK.