FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fisoràtana anarana alahady 28 jona 2020

Fisoràtana anarana alahady 28 jona 2020

Publié le 22 juin 2020 à 08:06

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.
Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana ny alahady faha – 28 jiona 2020.

1. Misoratra anarana amin’ny Facebook, Site Web, ao amin’ny sacristain ary amin’ny laharana finday +(261) 34 36 311 76 izay hanatrika ny fanompoam – pivavahana.

2. Toy izao ny ora fidirana : 7 h 30   – 9 h 00   – 10 h 30.


* marihina fa mety hiova ny ora misy anao arakaraky ny faha-fenoin'ny toerana

3. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana rehetra. Tsara raha tsy manatrika ny fanompoam – pivavahana ny zaza latsaky ny folo taona sy ireo marefo ara – pahasalamana.

4. Ny zoma faha – 26 jiona 2020 amin’ny 12 h 00 no farany fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitra ny sabotsy faha – 27 jiona 2020.

5. Marihina fa hivoaka ny alahady faha – 28 jiona 2020 amin’ny  18 h 00 ao amin’ny Facebook sy ny Site Web ny fanompoam – pivavahana.

Ny fanarahana ireo fepetra ireo sy ny fepetra ara – pahasalamana no anisan’ny antoko ahazoantsika mahazo alalana hisokatra ny alahady.

Dia mankasitraka ny amin’ny fanarahana ny fandaminana ary dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

NY BIRAON’NY FIANGONANA.


Lire aussi

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

30/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny toe-panahy entina manompo an’Andriamanitra

Alahady 30 Jolay 2023, andinihina farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Alahady faha-5 nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny fampianarana araka ny Kolosiana 3 : 12-17  » 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny

23/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy

Alahady 23 Jolay 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 6 : 12 – 16 « 12Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy