FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fisoràtana anarana Alahady 03 may 2020

Fisoràtana anarana Alahady 03 may 2020

Publié le 28 avril 2020 à 05:04

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.

Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana amin’ny alahady faha –  3 may 2020.

1.  Ireo maniry hivavaka amin’ny alahady faha – 3 may 2020 dia afaka misoratra anarana :

  • eto amin’ny site web
  • na ao amin’ny Facebook FJKM Ambavahadimitafo
  • na ao amin’ny sacristain (Rakotonandrianina Tantely)
  • na ao amin’ny laharana 034 36 311 76

2. Hisy fidirana in – efatra amin’ny alahady izao: ka manasa anao hisoratra anarana eto :


* marihina fa mety hiova ny ora misy anao arakaraky ny faha-fenoin'ny toerana

Afaka misafidy amin’ireo ora fidirana ireo izay tonga hivavaka. Saingy kosa rehefa feno ny isa 35 amin’ny ora izay nanaovana safidy  dia halamina ny mpivavaka hiditra  amin’izay ora malalaka kanefa tsy nosafidiana.


Ny alakamisy faha – 30 aprily amin’ny 18 h 00 no farany fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitra ny zoma faha – 1 may 2020.

3. Tsy mbola hisy fandraisana ny fanasan’i Tompo amin’ny alahady izao.4. Mbola mitombina avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay napetraka (manao aro vava, elanelana 1 metatra, soratana ny anarana, fanampin’anarana, adiresy ary laharana finday,…).

4. Noho ny antony ara – pahasalamana dia tsara raha tsy mitondra zaza latsakin’ny folo taona. Dia tahaka izany ihany koa ireo olona marefo ara – pahasalamana.

5. Hivoaka amin’ny site web sy ny facebook ny alahady hariva amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.

Dia maniry soa ho antsika tsirairay avy dia samy ho tahian’Andriamanitra.

Ny Biraom – piangonana.


Lire aussi

26/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro

Alahady 26 marsa 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny teny fanevan’ny faha-160 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo, Hagay 2 : 9b  » ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro «  Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika