Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny fanokanana mpitandrina
Fifaliana ho anay mianakavy ny misaotra ny birao sy ny fitandremana ambavahadimitafo noho ny fahavitan’ny fanokanana anay ny Asabotsy 10 septambra 2011.
Isaorana etoana koa ny solontenan’ny Filoha Synodaly dia ny tonian’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana andriamatoa ANDRIANIAINA Emilson mpitandrina ;
ny solotenan’ny FIFAMPI andriamatoa RAZAKANAIVO Jean Pierre mpitandrina ; ny solotenan’ny mpiandraikitra Foibe FJKM andriamatoa RASOLOMANANA Nehemie Mpitandrina
Isaorana indrindra ireto Antoko Mpihira ireto :
– Ny akon’ny finoana fjkm ambanilalana finoana
– Ny taninketsa ambonin’ampamarinana
– Ny taninketsa ambavahadimitafo
– Ny antoko mpihira ambavahadimitafo
– Ny antsa ambavahadimitafo
– Tsy hadinoina koa ny mpiandry sy mpiomana nihira ny tokim-panompoana.
Isaorana manokana koa ianareo havana aman-tsakaiza nitondra amim-bavaka sy niara-nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’io andro lehibe io.
Tolorana fisaorana tahaka izany koa ireo Fiangonana iaraha-miasa:
– Ny faritra avaratr’andohalo
– Ny sampana fifohazana
– Ny toby ambohibao ziona
– Fjkm faliary finoana
– Fjkm imerinkasinina fanasina
– Fjkm ambatotokana fitiavana
– Fjkm ambanilalana finoana
– Fjkm antanetilava
« Fa izahay tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina »
(2 Tesaloniana 2:13)
Rakotoniera Christian Eric, Melie, Sara ary Lukas