FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fiofanana Tafika masina

Fiofanana Tafika masina

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

A. Baikon’ny Tompo , Marka. 16:15 ; Jaona. 20:21

Tsy hiadian-kevitra ny maha baiko ny fitoriana ny Filazantsara. Io baikon’ny Tompo io dia tsy mila hoe antony hafa na mila hamarinina vao mendrika ho tanterahina. Ampy io fototra ara-tSoratra Masina io. Hitory ny Fitiavan’Andriamanitra isika, Fitiavana izay notanterahiny tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana nohomboana teo amin’ny Hazofijaliana hisolo heloka antsika. Hitory isika hoe efa vitan’Andriamanitra ny famonjena antsika, fa ny anjarantsika sisa dia ny mandray an’io famonjena io.

Ity misy sary enti-manazava kokoa an’izay : Mangetaheta ianao. Misy rano amin’ny kaopy eo anoloanao. Raha jerenao fotsiny io rano io, na dia eken’ny sainao aza ny fisian’io rano io, raha tsy raisinao ary sotroinao io rano io dia tsy afa-ketaheta ianao. Toa izany koa ny Famonjen’Andriamanitra.

Raha jerenao fotsiny, na dia eken’ny sainao aza ny fahatanterahany, raha tsy raisinao io Famonjena io dia ho very ianao. Hitory an’i Jesoa Kristy voahombo isika, ary hilaza hoe : Raiso Izy, fa Izy irery ihany no Mpamonjy.

Koa mangataha hery amin’ny Tompo mba hahatanterahanao sy hiainanao an’io baiko io.

B. Hitory isika

1. Rehefa mitory, dia aza manao hoe : « Hitory aminy aho, mba ho voavonjy ny fanahiny ». Tsy anjarantsika mpitory no manapa-kevitra na ho voavonjy ny fanahiny, na tsia. Ny anjarantsika dia ny manambara aminy ny Fitiavan’Andriamanitra azy, ary hoe raiso io Fitiavan’Andriamanitra io raha te ho voavonjy ianao. Ary safidiny sisa na handray na tsia io Fitiavan’Andriamanitra io.

Ny anjarantsika dia ny mamafy fa ny vokatra dia an’Andriamanitra irery ihany. Mivavaha ho an’ireo notorianao mba hifidy ny fiainana izy ireo, dia ny fandraisana an’i Jesoa Kristy.

2. Ny fitoriana an’i Jesoa Kristy dia fotoana lehibe iray ahafahanao maneho fitiavana. Iainan’izay manana Azy, fa ny fandraisana, ny fananana an’i Jesoa Kristy dia fananana antoka fa voavonjy ny fanahinao, mandova ny fiainana mandrakizay ianao.

Tsy izany ihany, na dia io aza no tena lehibe indrindra, fa ny fananana an’i Jesoa Kristy dia fanafahana anao dieny mbola ety an-tany, fanafahana anao amin’ny tahotra, ahiahy, Taloha, fantatrao ny tenim-pitiavan’Andriamanitra, fantatrao ny fanomezan-toky, ny teny fampaherezana toa ny hoe :

« Aza matahotra ianao, efa nanavotra anao Aho, efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao »,

na ny hoe :

« Raha ny Tompo no miandany amiko, inona no azon’ny olona atao amiko »,

na koa hoe

« Tsy handao anao mihitsy, na hahafoy anao akory Aho ».

Taloha fantatrao ireny tenim-pitiavana ireny, fa ankehitriny iainanao, ianao izay nandray ny Tompo, ireny teny ireny. Ny fitoriana an’i Jesoa Kristy, dia fanambarana amin’ny olona ny làlana nafahanao hiaina ireny teny ireny. Fanambarana ny toky, hery, fifaliana, azonao raha nandray Azy. Fanambarana ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy Tompo ny fitoriana.

Ny fitoriana dia fanambarana amin’ny olona toriana, fa ny Tompo dia tena tia azy koa, ka iaino izany Fitiavany izany amin’ny fandraisana Azy.

Fanehoam-pitiavana lehibe ny fitoriana an’i Jesoa Kristy. Mivavaha ho an’ireo notorianao mba hifidy ny fiainana izy ireo, dia ny fandraisana an’io Fitiavana io, izay tsy iza akory fa i Jesoa Kristy.

3. Ny olona manatanteraka ny baikon’ny Tompo, ary ao anatin’izany ny baikom-pitoriana Azy, dia novain’ny Tompo sata. Tsy mpanompon’ny Tompo intsony irery fa lasa sakaizany. Misy zava-dehibe mihoatra izany ve?

Tia anao ny Tompo. Fa izao anefa : ny maha sakaizan’ny Tompo anao, dia tsy sata ahafahanao miady hevitra raha tokony ho tanterahina na tsia, ny baikon’ny Tompo. Ny maha sakaizany anao dia zo omeny anao hahalala ny anton’ny baikony, ary anisan’izany ny antony hitorianao.

4. Inona izany atao hoe fitoriana mahomby? Ao ireo hamaly hoe : mahomby ny fitoriana satria betsaka ny olona voavory, na betsaka ireo olona voatory nanaiky handray ny Tompo. Fomba fandrefy iray izany.

Ny fomba fandrefy iray hafa dia ity : mahomby foana ny fitoriana rehefa tafaray amin’ny Tompo foana ianao. Rehefa avelanao hanatanteraka ny sitrapony aminao ny Tompo, dia mahomby foana ny fitoriana ataonao. Aza manao hoe tsy mahay mitory aho. Firifiry ireo olona, zara raha mahay mamaky teny sy manoratra, misy aza tsy mahay izany akory (jereo ny apôstôly Petera) fa tena mahery mitory an’i Jesoa Kristy. Ary mitombo zato heny, arivo heny ny asany.

Noho izany, tsy natao ho an’olona voatokana amin’izany ny fitoriana, fa ny fitoriana dia safidy, fanapahan-kevitra, fomba fiaina. Ny ho toriana dia Jesoa Kristy voahombo irery, fa ny fomba hanatanterahana izany no samihafa. Raha ny amintsika, dia ny mitety trano (izay antsointsika hoe « Tafika masina« ) no fomba hanatanterahantsika izany. Ento am-bavaka ny fitoriana an’i Jesoa Kristy, ny tafika masina hotanterahantsika. Hangataho amin’ny Tompo mba ho eo ambanin’ny fitarihany, eo ambanin’ny fitantanany izany.

« Vavaka » no herin’ny fitoriana. Mivavaha ka aza mitsahatra. Ny zavatra iray azo antoka eo amin’ny fiainana kristianina dia ny baikon’ny Tompo hoe : Torio Izy. (Tandremo : Jesoa Kristy no asaina torianao fa tsy ny hevitrao).

 


Lire aussi

26/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro

Alahady 26 marsa 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny teny fanevan’ny faha-160 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo, Hagay 2 : 9b  » ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro «  Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika