FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fifehezana sy famaizana

Fifehezana sy famaizana

Publié le 14 novembre 2008 à 12:11

« Fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy? Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka » (Hebreo 12:7b,8).

Mbola eken’ny maro ho fahamarinana ve izany teny izany ? Taloha tokoa mantsy dia nisy ary tsy niadian-kevitra ny famaizana na fitsipi-pifehezana tao an-trano tao. Nantenaina hanaraka ireo fitsipika mazava ireo ny ankizy. Ny tsifankatoavana kosa dia nitondra famaizana.

Toa tsy izany intsony anefa ny zava-misy ankehitriny. Miferin’aina izay tsy izy ny ray aman-dreny. Tsy araka intsony ny fivoaran’ny ankizy noho ny tontolo sarotra sy miovaova misy antsika. Mampatahotra ny miresaka fifehezana an-trano, na an-tsekoly, na amin’ny toeram-piasana, eny na dia hatrany am-piangonana aza. Amin’ny firenena sasany, ny famaizana ara-batana (correction corporelle) ny zanaka dia mety hampigadra ny ray aman-dreny. Koa mbola ilaina ve ny fifehezana (discipline) ?

Mba hamaliana izany dia ndeha ho faritantsika ny atao hoe fifehezana. Izao no lazain’ny rakibolana « Oxford » : « karazam-panofanana izay miteraka fifehezan-tena, filaminana ary ny fahafahana hiara-miasa ». Ny rakibolana hoe « Robert » dia manampy izao hevitra izao : « tsy mihanina amin’ny fandraràna fotsiny ny fifehezana ; fa mampianatra antsika hanao izay tokony hatao sy ny fomba fanaovana azy koa izy. » Hita eto ary fa manana heviny tsara (positif) ny fifehazana fa tsy hoe miendrika fanasaziana ny ankizy foana rehefa maditra izy ireo.

Ny fifehezana dia fanofanana tsy mijanona. Inona no tanjon’ny fifehezana? : tsy inona fa ny hananan’ny ankizy Faka sy Elatra.

– Faka : Andraikitry ny ray aman-dreny ny manazatra ny zanany ho tonga olon-dehibe mahafehy tena, manana sanda sy finoana miorim-paka. Ny fiovaovan’ny tontolo misy antsika eo amin’ny lafim-piainana rehetra dia mitaky ny fitaizana ny ankizy hijoro tsara. Ny ray aman-dreny no manampy ny zaza hanana faka tsara, lalina ary mafy.

– Elatra : Manomana ny zanaka handao ny ankohonana ka hahaleotena ny fifehezana. Ny zanaka voafehy tsara na dia lasa manorina ny akaniny aza rehefa lehibe, dia afaka manidina mamangy ny akany teo aloha indraindray. Ny tsy fahombiazan’ny ray aman-dreny nifehy ny ankizy no mitondra fahatapahan’ny fifandraisana tanteraka any aoriana.

Ny fifehezana dia manomana ny zanaka hahay handray fanapahan-kevitra ho an’ny tenany rehefa lehibe izy. Izy no hisafidy izay hitondrany ny fiainany rahatrizay fa tsy ny ray aman-dreniny akory no hibaiko azy toy ny soavaly. Izay no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra handrisika antsika hanazatra ny zaza amin’ny làlana tokony halehany (Ohab. 22:6).

Ny fahazoany sori-dalana dieny izy mbola kely dia hanamarika ny safidy horaisiny rehefa lehibe izy. Tsy midika akory izany fa tsy maintsy hanaraka ny lalan’ny ray aman-dreniny izy. Ny anjaran’ny ray sy ny reny niteraka fotsiny dia manao izay tratrany amin’ny famolavolana sy fifehezana ny zanany. Izany no tsy vitany no mahadiso azy.

Raha vitany izany nefa mbola mania ilay zaza dia an’ity farany ny andraikitra amin’izany. Izao no lazain’i Paoly ny amin’ny fifehezana ny zanaka : « Hianareo ray, aza manao izay mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy » (Efes.6:4). Ny teny grika nandikana ny « ray » eto dia mahafaoka ny reny koa. Ampahatsiarovina fotsiny eto ny ray mba tsy hanipy ny andraikitra amin’ny reny samy irery. Inona no atao mba hampahatezitra ny zanakao ?

Manana betsaka holazaina isika ireo fa andeha hofintinina amin’ireto fomba fifehezana dimy ireto izany. Mampahatezitra ny zanatsika isika rehefa mifehy azy :

1) amin’ny fomba miaramila : fankatoavana amin’ny nahim-po no mitondra amin’ny fifehezan-tena sy fahaleovan-tena marina fa tsy baiko sy sazy miaramila fotsiny.

2) amin’ny fomba miovaova : tazony hampiharina amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra ny famaizana fa aza ovaovana ho amin’ny tombontsoanao.

3) noho ny fitiavan-tenantsika : ampiasaintsika ny famaizana mba hanalantsika ny hasosorantsika, ohatra. Ny famaizana dia natao hahasoa ny zanakao fa tsy ho an’ny tombontsoanao akory.

4) amin’ny fanarabiana : ny fanasaziana eto dia miaraka amin’ny famingavingana. Mahatezitra ny zanaka tokoa ity fomba ity.

5) amin’ny fampitahorana : « Omeko an’Ingahibesola raha maditra eo an ! ». tsy fanorenana tsara ho an’ny fifehezana ny zaza ny fandrahonana.

Amin’ny fomba ahoana ary no hifehezana ny zanatsika ? Tezao. Teny malefaka, feno fiahiana sy fitiavana izany. Mamolavola, mamelona, mitsinjo, mitarika sy miandry. Mety ho mafy loha ny zanatsika kanefa malefaka koa izy.

Tsarovy koa fa mitaky FOTOANA izany. « Amin’ny famaizana (discipline) » mitaky asa ny fifehezana : inona avy moa no ataon’ny ray aman-dreny eto ? Mijoro amin’ny filamatra napetrany izy. Mametra ny sehatra hamolavolana ny zanaka sy manara-maso ny fanatanterahany azy. Manasazy raha tsy tratra ny tanjona (Ohab.13:24) ary mamaly soa raha manaraka tsara izy.  » sy ny fananaran(a) » Fifanakalozana no hevitra fonosin’ity teny ity. Miresaha amin’ny zanatsika fa aza mivazavaza aminy fotsiny.

Lazao azy ny anton’ny nametrahanao fifehezana; entano izy hiara-miasa. Makà koa fotoana ihainoanao azy. Arakaraky ny taonany dia ampandraiso anjara amin’ny fanapahan-kevitra raisina ao an-trano izy.  » ny Tompo ». Adidy sy fifaliana ho an’ny ray aman-dreny kristianina ny mampianatra ny zanany ny lalan’ny Tompo rehetra ka hahatonga azy ireo hanana finoana velona an’Andriamanitra. Farany, indreto misy filamatra vitsivitsy amin’ny fampiharana ny fifehezana ny ankizy :

1) Fadio ny famaizana izay mitondra ota ao am-pon’ny zaza.

2) Ny famaizana marina dia miainga amin’ny fahazoana tsara sy lalina ilay zaza tezaina.

3) Aza atao henjana loatra ny famaizana. Tsy natao hanalana baraka koa.

4) Tsy famindrana ny vesa-po amin’ny zanaka ny famaizana.

5) Faizo dieny mbola kely ny zanaka. Raha tsy izany dia hanimba ny fiainany isika (Ohab.19:18).

6) Ataovy mifandraika amin’ny fahadisoana ny fanasaziana.

7) Ataovy ho fanatsarana sy fanarenana hatrany no tanjon’ny famaizana. Pasteur Hubert Rakotoarivony


Lire aussi

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany