FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fifaninana Hira faneva sy logo faha-150 taona

Fifaninana Hira faneva sy logo faha-150 taona

Publié le 17 juillet 2012 à 09:07

Efa misokatra nanomboka ny alahady 15 jolay 2012 teo ny fifaninana hira faneva sy sary famantarana (logo) ho amin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo.
Toy izao manaraka izao ny fitsipika ny amin’izany :

Teny faneva : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay » Salamo 90 : 17

1) Hira faneva

  • Hira misy andininy 3, andalana 8 avy farafahabetsany + fiverenana andalana 4, ahitana ny teny faneva
  • Rythme : maredona sy mavitrika
  • Atao anaty taratasy fotsy ny solfa misy tonony, atao anaty CD ny hira : feon-kira, tonony misy feo efatra
  • Atao anaty valopy kely ny momban’ny mpifaninana
  • Atao anaty valopy lehibe ireo rehetra ireo avy eo misy ny marika hoe HIRA FANEVA FAHA-150 TAONA
  • Fotoana farany hananterana  ny sangan’asa ny Alahady  09 Septambra 2012, raisina isan-kalahady eo an-tokontanim-piangonana

2) Logo

  • Maneho ny fankalazana ny faha-150 Taonan’ny fiangonana
  • Loko ampiasaina  :Gris, Grenat, Bleu turquoise, Fotsy
  • Atao anaty valopy kely ny momban’ny mpifaninana, arahina fanazavana fohy momba ilay logo natao
  • Atao anaty CD ny logo
  • Atao anaty valopy lehibe ireo rehetra ireo misy ny marika hoe LOGO FAHA-150 TAONA
  • Fotoana farany hananterana ny sangan’asa : ny Alahady 19 Aogositra 2012, raisina isan-kalahady eo am-piangonana

Hahazo fankasitrahana izay mendrika.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany.

Fifandraisana:

Atoa Robijaona Yves : 034 01 540 08
Atoa Ralibera Henri : 034 39 743 10
Atoa Ranarijaona Tsifasoa : 034 42 318 59
Rtoakely Rakotondramala Fetra : 033 11 238 07


Lire aussi

08/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana Jona 2021

Finaritra, Indro ampitaina amintsika ny fandaminana : 1 – Alahady 13 jona : – fidirana in-2 : @8 ora sy 10 ora – tsy misy fisoratana anarana 2- Mbola miato mandritry ny volana jona : * Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Fianarana Katekomena fa manohy mamita ny enti-mody efa nomena

06/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manàna finoana an’Andriamanitra

Alahady 06 jona 2021, andinihina ny lohahevitra vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM : « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana ». Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 11 : 20-24 « Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe:

01/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Miverina misokatra ny fiangonana ny Alahady 06 Jona 2021

Misaotra ny Tompo isika fa miverina misokatra ny Fiangonana. Toy izao ny tsara ho fantatra : 1 – Misokatra isika amin’ny alahady 06 jona 2021 ho avy izao. 2 – Hisy fidirana indroa : – 08:00 – 09:30 3 – Tsy misy fisoratana anarana. 4 – Tsy mbola misy fianarana katekomena sns… 5 – Tsy

30/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo

Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Alahady 30 mey 2021, alahadin’ny Trinité, fetin’ny Reny, iarahabana manokana ny reny ho feno fiadanan’ny Tompo, fahasambarana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana tarihin’ny FJKM Ambavahadimitafo izay tanterahina isaky ny tokan-trano. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio

22/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Alahady Pentekosta 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Manasa antsika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana tanterahina isan-tokantrano izao ny Alahady Pentekosta 23 mey 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Lohahevitra FJKM Mey 2021 : « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » Fiderana an’Andriamanitra Salamo 104:30-33 Hira FF4

16/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao Azy

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Aoka hanomana ny fo amam-panahy isika hiombona amin’izao fanompoam-pivahahana Alahady 16 mey 2021 izao mbola handihana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy « . Ny hafatr’Andriamanitra entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia avy ao amin’ny Nehemia

13/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension). Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity Fankalazana an’Andriamanitra Apokalypsy 12:10-11Hira 171Vavaka Sitrapon’Andriamanitra Kolosiana 3:1-10Hira

09/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 09 mey 2021 : fanompoam-pivavahana iombonana

Am-pifaliana ry havana no hizarana aminao ny fandaharana amin’ity Alahady 09 mey 2021 ity izay hiombonantsika amin’ny 9 ora maraina. Misy ny toriteny video entin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain etsy ambany handraisantsika ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao ary hanomana fo amam-panahy ho amin’izany. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo

01/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Alahady faha 4 aoriana ny Paska. Andeha isika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana ampitain-davitra izao manomboka @ 9 ora maraina, miaraka amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA «  *FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA -Salamo 44 and 1,3-Hira 538 and 1,3– Vavaka *FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA -Hira 175 and 3,4– Vavaka – VakitenyDeo 34:5-9;Matio 10:16-20;2Kor 3:1,6– Hira

24/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany

Noho ny fihibohana dia tsy afaka miombom-bavaka any amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isika. Misaotra ny Tompo anefa isika fa afaka miombona amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady 25 Aprily 2021, izay hiarahan’ny isan-tokan-trano manatanteraka manomboka @ 9 ora. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, (Matio 18:20) Litorjia Alahady 25