Fianakaviana toy inona
Raha nanontaniana ny olona vitsivitsy ny amin’izay fiheverany ny hoe fianakaviana dia toy izao ny valiny azo:
– loharano nipoirana
– toeram-piomanana amin’ny fifandraisana
– trano fatoriana amin’ny alina
– dada, neny ary ny ankizy
– toeram-piofanana
– toeram-piarovana amin’ny hery avy any ivelany
– lalao, fifaliana, fifampitokisana
– helo, fonja
– fahatsiarovana mamy na maharary
– toeram-pialofana amin’ny andro mahory
Hatramin’ny voalohany dia anisan’ny tanjona napetraky ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly eran-tany ny hitory sy hitaiza ny ankizy, ny tanora ary ny fianakaviana amin’ny Soratra Masina.
Atoa Henryk Solaski dia mpandrindra ny fankalazana ny taona iraisam-pirenena ho an’ny Fianakaviana ao amin’ny Firenena Mikambana. Nilaza izy fa nisarika ny sain’ireo mpikambana maro tao ho ao ny resaka manodidina ny fianakaviana no sady mampanahy mafy koa ny loza mitatao eo aminy.
Ny fianakavina mantsy no fototry ny fiarahamonina. Raha mihozongozona io dia mihozongozona koa ny fiarahamonina. Milaza miara-mahita isika raha miresaka ny zava-manjo ny fianakaviana ankehitriny, na any amin’ny tany mandroso na any amin’ny tany mahantra. Marary ny fianakaviana. Ny ankamaroan’ny herisetra sy ny habibiana misy eto amin’ity planeta ity dia olona nivoaka avy tamina fianakaviana rava na mikorontana no saiky nahavanona azy.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny CSA Panorama tany Frantsa tamin’ny volana Janoary 1994 anefa dia ny 84%-n’ny tanora 15 – 25 taona dia mino ny lanjan’ny fianakaviana avokoa. Sanda tsy lany andro ny fianakaviana hoy izy ireo. Ny 96% tamin’izy ireo aza namaritra ny fianakaviana filamatra hoe lehilahy sy vehivavy voafehin’ny fanambadiana miampy ankizy maromaro.
Koa tsy misy ho kianina ary ve ny fianakaviana? Tsia no valiny. Ho an’ny ankamaroan’ireo tanora ireo mantsy dia marefo na ratsy ny fototra iriny hanorenana izany fianakaviana izany. Te hanorina fianakaviana izy nefa tsy vonona ny hanolotra ny tenany ho amin’izany tanjona izany. Toy ny mandeha fiara fitaterana ny manambady amin’ny maro. Raha tsy mandeha araka ny nieritreretany azy dia miala mora amin’ny arrêt manaraka izy. Ao ilay ohabolan-drazana hoe : “vady hita teny am-pakana kitay ary isarahana eo am-pisoronan’afo”. Tsy misy ny fahavononana handefitra sy hiaritra. Noho izany, loza lehibe no mitatao amin’ny fototry ny fiarahamonina. Na izany aza anefa dia tena misy ny fanantenana. Amin’ny fomba ahoana?
1. Tsy maintsy araraotina io faniriana eo amin’ny tanora mbola te hanorina fianakaviana io mba hanomezana azy ireo ny fototra marina sy azo antoka hanorenana izany.
2. Tsy maintsy dinihana sy fantarina ireo hery, filamatra ary rafitra – politika, ekonomika, ara-piarahamonina, ara-panahy – manohitra ny fanatratrarana izany tanjona soa izany.
3. Ilaina ny mivavaka ho an’ireo tompon’andraikitra politika sy sosialy (1Tim. 2:1-3). Mba hisy marina ny fandraisana ireo fepetra ilaina mba ivelaran’ny fianakaviana eo amin’ny lafin’ny asa, fanabeazana, fonenana ary fitsinjovana. Tsy ny fokontany no rafitra fototra hiantoka ny fampivoaram-pirenena fa ny fianakaviana.
4. Ilaina ny mametraka rafitra sy fototra azo antoka iorenan’ny fianakaviana. Ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly dia milaza fa ny fiverenana amin’ny rafitra sy fototra napetrak’Ilay Mpahary sy Mpanavotra ny fianakaviana no vahaolana mahomby indrindra ho famonjena sy fanasitranana azy. Marary ny fiarahamonina satria mitotongana ny sanda ara-panahy sy moraly tokony hifehy ny fianakaviana.
Ny Fiangonana kristianina mantsy no fitaovana ampiasain’Andriamanitra, Ilay Mpahary sy Mpanavotra ny fianakaviana hampita sy hampianatra ireo sanda ireo, fa tsy fombafombam-piangonana sy fivavahana fotsiny.
Ohatra : ny fandavana ny planin’Andriamanitra ny amin’ny fanorenana ny fianakaviana no miteraka endri-piarahamonina vaovao ahitana ny tokantranomaso, ny fiterahana sy fitaizana zaza tsy manambady, sns. Voatery milefitra manaraka izany ny lalàna velona indraindray. Koa maro ny mihevitra fa mety ny ataony satria tsinjovin’ny lalàna misy izy ireo. Any Frantsa ohatra, dia ny manambady vita soratra indray no voa mafy eo amin’ny lafiny fitsinjovana sosialy noho ireo manao tokantranomaso, miteraka tsy manambady, sns.
Tsy mampahatsiaro ny tenin’i Habakoka mpaminany ve ny toe-javatra ankehitriny raha hoy izy hoe : “Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny ; fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra”. (Hab. 1:4).
Lavina ny toe-tsaina izay manandratra ny fahafinaretana alohan’ny zava-drehetra, ny fitiavan-tena, ny fitokana-monina, ny fahafahana tsy miaraka amin’ny fandraisana andraikitra. Ny Baiboly dia mampianatra ny atao hoe fitiavana manolotra, mandray andraikitra, mizaka ny sarotra (1Korint.13). Misy koa ireo boky mikasika ny fianakaviana nafaran’ny Fikambanana manokana hanampiana anao.
Ambonin’ny zavatra rehetra dia ilaina ny ahitan’ny olona fa azo iainana sy ampiharina eo anivon’ny fianakaviana ny Tenin’Andriamanitra fa tsy idealy ho nofinofisina fotsiny.
Eo anivon’izao fiainana izay tsy manana modely alain-tahaka izao intsony dia manana loharanom-pilamatra ho an’ny fifankatiavan’ny mpianakavy isika (mpivady, mpianaka, mpihavana). Koa na toa inona na toa inona fianakaviana misy anao dia manasa anao izahay hamerina Ilay Teny tonga Nofo eo anivon’ny fianakavianao indray. Ho tanteraka amin’izay ilay teniny manao hoe: “Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao ; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao” (Sal; 128:3,4). Inona no antony ? Satria matahotra an’Andriamanitra ka mandeha araka ny lalàny ny ankohonanao (and.1).
Pasteur Hubert Rakotoarivony