FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fetim-bokatra 2020, fetim-bokatra miavaka tokoa noho ny hamehana ara-pahasalamana

Fetim-bokatra 2020, fetim-bokatra miavaka tokoa noho ny hamehana ara-pahasalamana

Publié le 27 juin 2020 à 01:06

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FITANDREMANA AMBAVAHADIMITAFO
Alakamisy, 25 jona 2020
« Ary toy izany koa hianareo ; raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. » (I Kor 14 : 12)

Ho antsika mpianakavy amin’ny finoana eto Ambavahadimitafo sy ireo Zanaka Am-pielezana rehetra.

Antony : Fetim-bokatra 2020

Ry havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa. Araka ny efa fantantsika dia amin’ny Alahady 05 Jolay 2020 izao ny fetim-bokatra eto amintsika Ambavahadimitafo :
• Fotoana hitondrana am-bavaka ireo asan’Andriamanitra sahanin’ny Fiangonana. Fotoana ihany koa hiaonantsika nobeazina sy nandalo teto amin’ny Fiangonana, fa fotoana ihany koa hamoriana vola hoenti-manatanteraka ireo asan’ny Tompo (anatiny sy ivelany) koa ny vinantsika miaraka amin’ny Tompo amin’ity taona ity dia 16Millions Ariary.
Koa manentana antsika rehetra, fa indrindra ianareo Zanaka Ampielezana mba ho tonga hiara mivavaka sy hifanome tànana amin’ny Tompo.
• Fanaontsika ny manao « Tonona » ho fanomanana izany Fetim-bokatra izany izay azontsika arotsaka amin’ny fomba mahazatra sy aty am-piangonana.
Misaotra antsika rehetra sahady amin’ny fitondrana am-bavaka izany asan’ny Tompo izany ary manantena ny fahatongavantsika rehetra.
• Misaotra ny Tompo isika fa amin’ny anjarantsika Fiangonana amin’ny Trano Fidiovana 39Millions Ariary dia 10 Millions Ar sisa no miandry antsika (efa eo an-tànana ankehitriny ny 3Millions Ariary), ny ezaka sisa araka izany dia 7Millions Ariary, koa manentana antsika samy handray anjara : ny Tompo Jesoa anie hamaly fitia antsika.

Mirary ny fiadanan’Andriamanitra ho antsika rehetra ry havako.

Ny Mpitandrina
Alain RANDRIANARISOA


Lire aussi

10/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Ho avy Jesoa ka mamerina ny olona ho @ fahalalàna marina ny Soratra Masina

Alahady 10 desambra, natokana hitondrana am-bavaka ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy », nitondran’ny Prezida Synodaly Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21 : 15-17 « 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,