FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fantaro ny FJKM

Fantaro ny FJKM

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Ireto aloha misy fanafohezan-teny tsara ho fantatra :

TPM = Toeram-Panomanana Mpitandrina ;

IFRP = Institut de Formation et de Recherches Pédagogique ;

PE = Poste d’Evangélisation, saha vaovao ;

MF = Mpiandraikitra Foibe ;

SL = Synoda Lehibe ;

SP = Synodam-Paritany

 

A- Nitatra ny asantsika :

1. fanamaroana isa ny mpiasa :

– nampitomboina ny isan’ny mpampianatra matihanina teo amin’ny TPM.

– niezaka nampitombo ny isan’ny mpianatra niditra amin’ny TPM isika (80 ny isan’ny nivoaka).

– nezahina nasiana Prezida Synodaly ny Synodam-Paritany rehetra.

– naniraka mpitandrina 55 miasa eny anivon’ny saha PE 55 isika.

– nosokafana ny sekoly fanomanana mpampianatra eny Andohalo (Institut de Formation et de Recherches Pédagogique).

2. Nohatevenina sy nohatsaraina ny fanofanana ireo tompon’andraikitra samihafa.

– nataontsika ho zava-dehibe ny fanofanana ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao. Hita taratra izany eo amin’ny TPM sy ny IFRP omena toerana lehibe ny laïka mba hanovo fahalalana eny anivon’ireo seha-piofanana samihafa : SEFALA, SETELA ; Misy ny bokim-piofanana iraisana amin’ireny : taona I ka hatramin’ny taona III (mpitoriteny, mpiandry).

– ny mpitandrina sy ny katekista dia omena fiofanana isaky ny 2 taona. Ny vahoakan’Andriamanitra tsotra dia manovo fahalalana sy fitaizana eny anivon’ny sampana sy sampanasa ary asa eny amin’ny fitandremana.

3. Nitatra ny asa sy ny saha. Rehefa nitombo ny isan’ny mpiasa ary nomena izay te handray andraikitra dia niaraka amin’izany koa ny asan’ny FJKM sy ny saha hiasany.

– vokatry ny fahamaroan’ny mpianatra navoaka teo amin’ny TPM isan-taona (80) dia afaka nanitatra saha vaovao maro sy haingana isika. Misy PE 55 manerana ny Nosy : PE saha vaovao, saha matanjaka fa mihamalemy (Atsimo Atsinanana : Vohilava, Ambalavao), saha anjakan’ny Silamo (Analalava, Mitsinjo, Soalala). Ny ankamaroan’ireo PE anefa dia tena ireo saha vaovao mihitsy. Tato anatin’ny 3 taona, ohatra, dia niorina ireto : Manja, Morombe, Betioky, Bezaha, Benenitra, Ivohibe, Iakora, Vondrozo, Vangaindrano, Befotaka, Midongy Atsimo, Vohipeno, Amborompotsy, Ambatofinandrahana, Malaimbandy, Ikalamavony… Fivondronana 3 sisa no tsy misy FJKM dia Beroroha, Beloha Androy, Tsihombe, Fiangonana vaovao miorina isan-taona, 15-20 avy amin’ny AFF (tsy ao ny naorin’ny SP).

– vokatry ireny fitaran’ny asantsika amin’ny alalan’ny PE ireny dia miorina ny SP 3 vaovao izay ny fikambanan’ireny PE vaovao ireny no niteraka SP vaovao dia Toliary, Ambovombe Kristy Ranovelona, Fahazavana atsimo andrefana.

– nitatra hatrany ivelany ny fiangonantsika : Frantsa, Suisse, La Réunion.

– vokatry ny IFRP dia afaka naniraka mpampianatra vita fiofanana isaky ny roa taona. Velona indray ny sekoly. Tsara ny vokatra.

B- Mamelon-tena isika amin’ny fampandehanana ny asa amin’ny ankapobeny

Mivelona amin’ny finoantsika sy ny herin’ny tenantsika ary ny ezaka ataontsika tsirairay isika. Tsy misy izany hoe fanampiana mihoampampana mitobaka avy any ivelany. Amin’ny ankapobeny dia toy izao ny fanazavana tsotra sady fohy ny fomba fidirana sy ny fivoahan’ny vola ampiasain’ny foibe FJKM :

1. Azo sokajiana ho 4 loha ny fomba fidiran’ny vola :

– adidy 55,03%

– Fiangonana mpanampy 17,45%

– hofantrano 24,17%

– hafa 3,15%

2. Ny fomba fivoahan’ny vola dia nosokajiako ho 5 loha :

– fivelomana sy tombontsoa ho an’ny mpiasa iombonana (fanafody, vary, saram-pianarana) 42,28 %

– TPM / IFRP (bourse, fanafody, saram-pianarana) 17,25 %

– hafa (fanofanana, fivoriana, fivezivezena, fifandraisana, banky, latsakemboka) 17,17 %

– fikojakojana (trano, fiara) 12,25 %

– hetra sy haba 10,87 % 3. Ny ezaka sy ny fiaraha-mientana ataontsika no ahafahana mampandeha ny asa sy mandroso. Mifampiankina ny fanohanana ny asa sy ny vokatra mety ho azo.

– ny rakitra, adidy ataon’ny kristianina no ahafahan’ny fitandremana mampandeha ny asa.

– ny adidy aloan’ny isam-pitandremana kosa no ahafahan’ny SP mampandeha ny asa

– ny adidy aloan’ny SP, Fiangonana mpanampy no ahafahan’ny Foibe mampandroso ny asa. Mifampiankina ireo. Tsy afaka hiatrika ireo asa tokony hosahaniny mivantana ny Foibe toy ny TPM, IFRP, PS, PE, fanokanana, fitsidihana, jobily, fitokanana, fanofanana. Tsy mety ilay hoe : omena Mpitandrina izahay na tena mila PE nefa izy tsy manao ezaka hanohanana ny asa iombonana. Misaotra an’Andriamanitra isika fa na eo aza ny fahasarotan’ny asa, ny hamafisan’ny asa, ny fahasahiranana mety misy dia feno fahavononana tokoa ny mpiasa irahintsika miparitaka eran’i Madagasikara : mampianatra amin’ny TPM, PS, PE.Mila tohanana ny hafanam-pony.

D- Mirotsaka an-tsehatra eo anivon’ny firenena isika

1. Misy asa vavolombelona ataontsika eo anivon’ny firenena

Manao izany ny foibe amin’ny alalan’ny SAF. Tsapa fa tena manao be ny fitandremana tsirairay eny anivon’ny fokontany misy azy : (manorina sekoly, fitsaboana, fikarakarana ny sahirana …)

2. Najoro eo anivon’ny foibe ny komity samihafa Miady amin’ny SIDA, fahalovana sy ny kolikoly, ny komitin’ny fiainam-pirenena

Fantatsika tsara fa isaky ny fivorian’ny SL, dia misy hatrany ny hafatra atao ho an’ny firenena amin’ny maha mpaminany ny Fiangonana. Ny MF koa dia mampita hafatra isaky ny tapitra ny fotoam-pivoriana.

3. Fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana

Tao anatin’ny 3 taona dia niara-niasa tamin’ny Fiangonana ny Fanjakana. Marihana fa tsy manohana ara-bola mivantana ny Fiangonana, ny Fanjakana, mba atao ho fivelomana na fampandehanan-draharaha, fa ny fanaovana asa fanorenana trano, na fanolorana fitaovana, no himasoany, na fanomezana tolotr’asa iray. Nisy ny tombontsoa azontsika tamin’izany, ohatra :

– nisy sampana nahazo tolotr’asa : afaka nahazo fitaovam-birao.

– nisy Fiangonana na toeram-pitaizana na fiofanana naorina, ohatra : Maintirano, Morafenobe, Maroantsetra, Faritr’i Vatomandry, Antsohihy.

– Toby : Ibora, Toamasina, FJKM Ambodifiakarana Tsimbazaza, Tabita Dorkasy.

– Ny foibe : Trano eo Faravohitra, Ampandrana.

– Trano PS : Tsiroanomandidy, Mandritsara, Vatomandry, Antananarivo, Antsiranana.

4. Velona ny Fiangonana amin’ny ankapobeny

Manao Tafika Masina sy asa sosialy ny isam-pitandremana. Miditra in-2 ny Fiangonana (x2 ny tafontrano).

Maro ny manitatra ny trano hiangonana, maro ny asa fanorenana (sekoly, akany, toeram-pitsaboana, trano vadim-piangonana …) Mahavelom-bolo ny miatrika ny fivorian’ny SP. Mahavory olona maro isika. E. Ny antontan’isa (Desambra 2004)

– SP : 36

– Fitandremana : 1392

– Fiangonana tafo : 5795

– Kristianina : 4 tapitrisa

– Poste d’évangélisation : 55

– Mpitandrina : 1053

– Sekoly : 434

– Mpampianatra matihanina : 646

– TPM IFRP isan’ny mpianatra : 318

– TPM IFRP isan’ny mpampianatra : 20

– TPM IFRP antselika, mpandraharaha : 59

 

Ny Mpitandrina RADIMISAON Jonah, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.