Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza
Publié le 29 août 2020 à 08:08
asa 22 : 10-14
Miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesoa Tompo
Tsy mbola misokatra ny fiangonana ny alahady 30 aogositra 2020, ka isika isan-tokan-trano kosa no samy hitarika ny fanompoam-pivavahana araka ny fandaharana eto ambany.
Lohahevitra : Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino
« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo @ Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20
Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an’i Joba, sy ny namangian’ny sakaizany telo lahy azy
1 ARY tamin’ny indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’i Jehovah. 2 Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza hianao? Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao. 4 Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. 5 Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony–raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e! 6Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’i Jehovah ka namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany. 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty. 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?
Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba
32 ARY Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra.
Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy 33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; 34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hate-loana, dia hitsangana indray Izy.
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ny jentilisa izy. 12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo. 14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao.
1. Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka,
Aina no fetra anarahana anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka,
Ny fanompoana tsy maintsy atao.
Fiv : Indreto izahay, hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay;
An-tsitrapo no anoloranay tena,
Ka tano mba ho Anao izahay.
2. Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay Zanak’ondry nisolo anay;
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
3. Aina no fetra, ry Tompo malala!
Aina no fetran’ny fitiavanay;
Ka sanatria izay handao na hiala;
Mandrakizay, ho Anao izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
4. Aina no fetra, ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa!
O! mba tantano, hazony izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
5. Aina no fetra, ka ampio, ry Fanahy!
Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray!
Aina no fetra, izahay re no sahy;
Aina no fetra, handresy izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah
Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.