FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminao

Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminao

Publié le 26 juillet 2020 à 01:07

Noho ny fitandremana ny ara-pahasalamana iaraha-mahalala dia samy manatanteraka ny fanompoam-pivavahana ny isan-tokatrano manaraka ny fandaharana hiombonana sy ny toriteny eto ambany.

Fa hoy tokoa ny Tompo : « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo @ Anarako, dia ao afovoany Aho » Matio 18:20

Lohahevitra Jolay 2020 : « Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo ».

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

– Salamo 66 and 16 – 20
– Hira FF 9
– Vavaka .

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

– Hira 175 and 1,3
– Vavaka
– 2Samoela 7: 17 – 24
– Lioka 8: 26 – 39
– 2Timoty 2:1- 13
– Hira 313 and 1.

FANEKEM- PINOANA

Laharana faha 4.

RAKITRA

– Hira FF 26
Fanolorana Rakitra : vavaka

TORITENY

Ny hafatr’Andriamanitra dia nalaina tao amin’ny Lioka 8 : 26-39

26DIA nitody tany amin’ny tanin’ny Gerasena izay tandrifin’i Galilia izy. 27Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ny fasana. 28Fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? masìna Hianao, aza mampijaly ahy. 29Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.30Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny. 31Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa. 32Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny. 33Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ny hantsana ho any amin’ny farihy, ka dia maty tany. 34Ary nony hitan’ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. 35Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy, izay efa nivoahan’ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. 36Ary izay efa nahita dia nanambara tamin’ny olona ny namonjena an’ilay demoniaka. 37Ary ny olona rehetra tany amin’ny tanin’ny Gerasena manodidina dia nangataka an’i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.38Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’i Jesosy izy ka nataony hoe: 39Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’i Jesosy taminy.

FAMARANANA

– Tsodrano
– Hira 171 and 3

« Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra  » Amen

Mirary ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo


Lire aussi

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy