FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanomezan'Andriamanitra ny vady

Fanomezan'Andriamanitra ny vady

Publié le 10 novembre 2008 à 12:11

Fanomezan’Andriamanitra ny vady, hanaovako vady sahaza ho azy izy (GENESISY 2,18)

Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa : Fanomezan’Andriamanitra ny vady.

Amin’io andininy io (Gen.2,18) dia hitantsika fa Andriamanitra mihitsy no nandray andraikitra hanome vady an’i Adama. Tsy Adama akory no nanantona an’Andriamanitra ka nangataka vady taminy, tsy izy no nangataka mba homena namana. Fa Andriamanitra tamin’ny fahendreny sy ny fitiavany no nanapa-kevitra hanome vady azy. Ary izany no hilazana hoe : Fanomezan’Andriamanitra ny vady, izany hoe : sitrapon’Andriamanitra ny hanambadian’ny olona ka hanorenany tokantrano.

Fampieritreretana : Raha fanomezana ny vady, inona no tokony ho ataoko voalohany indrindra raha vao mahazo vady ? – Ary raha Andriamanitra no nanome azy, iza ary no tokony hanaovako izany ?

Tsy tsara raha irery rahalehilahy (GENESISY 2,18). Tenin’Andriamanitra izany.

Ary mahasambatra ny fo ny mahafantatra sy mahatsapa avy amin’io teny io fa mihevitra izay mahatsara antsika Andriamanitra. Ny tokantrano izay naoriny dia nataony hitondra antsika amin’ny fahasambarana.

Ny vady izay omeny anao dia vady hahatsara ny fiainanao. Ambaran’ny mpandinika fa ny lehilahy dia mitondra toky sy fiarovana ho an’ny vehivavy. Ny vehivavy iray sakambinin’ny vadiny amin’ilay sandriny matanjaka iny, dia mahatsapa fahatoniana mahafaly.

Ny vehivavy kosa dia mitondra famelombelomana sy risi-po ho an’ny lehilahy. Ilay rangahy sasa-dahasa sy sorena tany am-pitadiavana tany, rehefa mahare ny feo malefaky ny vavy sy mahita ny tsikitsikiny, nony mody ao an-trano dia mahatsiaro velombelona indray.

Eny, tsara ny vady nomen’ny Tompo ! Saingy raha tsy tiantsika ny mpanome dia ratsy hatrany ny fanomezany.

Fampieritreretana : Ny tokony hodinihiko mba hahitako ny fahatsaran’ny vadiko dia ity : Tiako ve Andriamanitra ?

Nalaina avy amin’ny “Ny Tsiambaratelon’ny Tokantrano sambatra


Lire aussi

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »