FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 02 novembre 2013 à 10:11

Andro lehibe, vanim-potoana lehibe ho an’ny fiangonana tokoa ny asabotsy 23 sy alahady 01 desambra 2013 satria horaisin-tànana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera Eric mivady.
Ny hetsika manokana hoentina manamarika izany fankalazana izany dia ny fotoam-pivavahana ny asabotsy 23 Novambra 2013, izay harahina fiaraha-misakafo, ka hiarahana amin’ny Synodam-paritany sy ny Foibe FJKM ary ireo izay nasaina manokana izany.

Ny alahady 01 desambra 2013 kosa no fotoana hiarahan’ny fiangonana manontolo mivavaka ho fandraisan-tànana ny mpitandrina iarahana amin’ny Komity, ny Loholony sy Diakona ary ny fiangonana manontolo. Fantatra ary fa ny Komity dia hanasa ny Loholona sy Diakona rehetra tsy an-kanavaka hiara-misakafo ao amin’ny Akany Ralibera Daniel noho izany fotoan-dehibe izany. Misy koa ny fandaminana hiarahana amin’ny sampana velona rehetra fa mbola eo am-pandaminana azy moa ny Komitin’ny Fandraisan-tànana.

Ny Komitin’ny Fandraisan-tànana moa dia efa nizara tonona sy valopy ho entina maneho ny voninahitr’Andriamanitra noho izany fahasoavana lehibe hankalazain’ny fiangonana izany. Koa ankehitriny dia tsapa tokoa ny valim-bavaka sy ny ezaka nataon’ny tsirairay satria mahatratra 14 450 000Ar ny vola tonona, voray ary eo am-pelatànan’ny komity.
Koa maneho ny fankasitrahana feno ho antsika rehetra izay nitondra am-bavaka sy nandray anjara.

« Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; »; 2Korintiana 9:8


Lire aussi

20/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako

Alahady 20 jona 2021, alahady fetin’ny Ray sy hitondrana am-bavaka ny sampana Vokovoko manga. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana 23;26 : « Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako« . Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo : « 26Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary

17/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fetim-bokatra 2021 : hafatry ny mpitandrina

Araho ny fanentanana entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ho an’ny alahady 04 Jolay 2021 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, hanatenterahina ny fetim-bokatra, fotoan-dehibe hitondrana am-bavaka ny asan’Andriamanitra eto anivon’ny fiangonana ary hitondrantsika izay notahian’Andriamanitra antsika, ho enti-manana ho an’ny fiangonana.

13/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao

Alahady 13 Jona 2021, hitondrana am-bavaka ny Sekoly FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 2:1-10 : « Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ny mpianakavin’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy. Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. Ary

08/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana Jona 2021

Finaritra, Indro ampitaina amintsika ny fandaminana : 1 – Alahady 13 jona : – fidirana in-2 : @8 ora sy 10 ora – tsy misy fisoratana anarana 2- Mbola miato mandritry ny volana jona : * Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Fianarana Katekomena fa manohy mamita ny enti-mody efa nomena

06/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manàna finoana an’Andriamanitra

Alahady 06 jona 2021, andinihina ny lohahevitra vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM : « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana ». Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 11 : 20-24 « Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe:

01/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Miverina misokatra ny fiangonana ny Alahady 06 Jona 2021

Misaotra ny Tompo isika fa miverina misokatra ny Fiangonana. Toy izao ny tsara ho fantatra : 1 – Misokatra isika amin’ny alahady 06 jona 2021 ho avy izao. 2 – Hisy fidirana indroa : – 08:00 – 09:30 3 – Tsy misy fisoratana anarana. 4 – Tsy mbola misy fianarana katekomena sns… 5 – Tsy

30/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo

Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Alahady 30 mey 2021, alahadin’ny Trinité, fetin’ny Reny, iarahabana manokana ny reny ho feno fiadanan’ny Tompo, fahasambarana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana tarihin’ny FJKM Ambavahadimitafo izay tanterahina isaky ny tokan-trano. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio

22/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Alahady Pentekosta 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Manasa antsika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana tanterahina isan-tokantrano izao ny Alahady Pentekosta 23 mey 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Lohahevitra FJKM Mey 2021 : « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » Fiderana an’Andriamanitra Salamo 104:30-33 Hira FF4

16/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao Azy

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Aoka hanomana ny fo amam-panahy isika hiombona amin’izao fanompoam-pivahahana Alahady 16 mey 2021 izao mbola handihana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy « . Ny hafatr’Andriamanitra entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia avy ao amin’ny Nehemia

13/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension). Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity Fankalazana an’Andriamanitra Apokalypsy 12:10-11Hira 171Vavaka Sitrapon’Andriamanitra Kolosiana 3:1-10Hira