FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanasana tongotra sy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba hafa ary tantaran’i Joba an-tsehatra

Non classé

Fanasana tongotra sy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba hafa ary tantaran’i Joba an-tsehatra

Publié le 31 mars 2009 à 01:03
Fanasana tongotra sy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo amin'ny fomba hafa ary tantaran'i Joba an-tsehatra

Amin’ny Alahady 05 Avril 2009 dia Alahadin’ny Sampan-drofia izay fidiran’ny fiangonana kristiana rehetra amin’ny fiombonana fahoriana amin’i Jesoa Kristy.

Amin’io alahady 05 avril 2009 io, eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, dia hisy tantara an-tsehatra, tantaran’i  Joba izay karakarain’ny Vaomiera Aim-panahy. Kanefa mihavaka manontolo io fotoana alahady maraina io satria tsy ho mpijery fotsiny akory na mpanatrika ireo kristiana ho avy eo fa tena hiaina manontolo an’izany fotoana izany hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

Toy izao ny ho fizotry ny fotoam-pivavahana maraina :

Fanasana tongotra (amin’ny 07H30) :

Ny fanasana tongotra dia fampianarana napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany.

Ho an’izay manao ny fanasana tongotra dia endriky ny fanetre-tena lalina tokony hanànan’izay rehetra manara-dia ny Tompo izany

Ho an’izay sasàna tongotra kosa dia endriky ny fanekena ho diovin’i Jesoa Kristy amin’ny loto sy ny fahotana ary ny pentipentina ao amin’ny fiainam-panahin’ny mpino.

Endriky ny fifankatiavana tonga lafatra ny fanasana tongotra ka anekena ho mpanompon’ny namana.

Amin’ny 09 ora maraina no fanombohana ny fanompoam-pivavahana amin’ny alàlan’ny hira fiderana sy ny vavaka, ary tohizana avy hatrany amin’ny rakitra sy ny filazàna ny raharaham-piangonana. Rehefa vita izany dia mitohy amin’ny tantara an-tsehatra izay mikasika an’i Joba ampilaharina amin’ny fahorian’ny Tompo.

Fanasan’ny Tompo :

Mandritra ny tantara an-tsehatra mihitsy no  hanatanterahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Amin’izany dia Kapôka iray lehibe no hiombonana handraisana ny divay ary mofo iray lehibe ihany koa no hiombonana hifampizarana.

Hafatra sy fandaminana :

–          Entanina isika izay hanatrika ny fanasana tongotra mba hanao kiraro mora esorina sy ampidirina mba ahafahana mampizotra amin’ny tokony ho izy izany fotoana izany

–          Entanina koa isika izay vonona handray ny Fanasan’ny Tompo mba hanasa tsara ny tànana alohan’ny hidirana ato am-piangonana satria handalo amin’ny tànan’ny tsirairay avy ny mofo izay hohanin’ny olona aty aoriana. Toy izany koa ny kôpy izay tokony hofafàna tsara amin’ny lamba efa voaomana satria iny no handraisan’ny aty aoriana ny ran’i Kristy.

Mamangy antsika amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra ka te hanome fiadanam-po ho an’ny tsirairay.

Enga anie io fotoana io mba handraisanao izany fiadanam-po izany  tokoa , indrindra fa ny fanatrehanao ny fotoana izay karakarain’ny Vaomieran’ny Aim-panahy amin’ny alahady 05 Avril 2009 io manomboka amin’ny 7ora sy sasany maraina.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen.


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.