FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanapahan-kevitra tapaky ny Mpandray tamin'ny fivoriana Alahady 31 Janoary 2010

Fanapahan-kevitra tapaky ny Mpandray tamin'ny fivoriana Alahady 31 Janoary 2010

Publié le 19 février 2010 à 12:02

Tamin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny Alahady 31 Janoary 2010 teo no nanapahana fa :

– Horaisin’ny fiangonana an-tànana ny fiantohana ny trano hipetrahan-dRamatoa Ranaivoson Fara sy Mialy

– Ny antsipirihany mikasika izany fiantohana an’izy mianaka izany dia averina hodinihan’ny Biraom-piangonana

Rehefa nivory ary ny Biraom-piangonana tamin’ny Asabotsy 06 Février 2010 (fivoriana notarihin’ny mpitandrina délégué Randrianavalona Maholy) dia nanapa-kevitra fa hanontany ny hevitry ny fiangonana sy ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny amin’izay soso-kevitra mikasika ny antsipirihany amin’ny fiantohan’ny fiangonana an-dRamatoa Ranaivoson Fara sy Mialy.

Miantso antsika ary ny Biraom-piangonana mba handefa soso-kevitra any aminy , na koa handefa email amin’ny adiresy contact@fjkm-ambavahadimitafo.info.

Misy ihany anefa ny fepetra izay takian’ny Biraom-piangonana amin’izany :

– iangaviana mba tsy hanao tora-po isika fa tena soso-kevitra tokoa, satria ny hevitry ny maro hono maha-taka-davitra

– amin’ny ity faran’ny volana Febroary ity no handraisana ny soso-kevitra mba ahafahan’ny Biraom-piangonana mandinika izany amin’ny volana Martsa

– iangaviana isika hametraka ny anarantsika ao Marihina fa hotazomin’ny Birao ho tsy ambara-telo izany soso-kevitra izany.


Lire aussi

05/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

29/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana

08/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Karakarao ny tanindrazana

Alahady 08 aogositra 2021 izay mbola hibanjinana ny lohahevitry ny FJKM hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21. Andeha hiombona @izany fotoana izany :

02/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena amin’ny asa tsara

Alahady 01 aogositra 2021, nanatanterahan’ny Tetik’asa Mendrika (Vokovoko manga) ny vokatra, ary handinihana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny asa tsara » izay nangalan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

27/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Inty aho, iraho aho

« Masina, Masina! Masina Jehovah Tompon’ny maro, heniky ny Voninahiny ny tany rehetra » Alahady 25 Jolay 2021, alahady faha-8 manaraka ny Trinite hamaranana ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 6 : 8 « Inty aho, iraho aho » Andeha hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

24/07/2021 Fanompoam-pivavahana

Fanokanana Masera MAMRE FJKM Ambavahadimitafo 24 jolay 2021

Notokanana ho Masera MAMRE F.J.K.M. i : – RAFARAMALALA Christine – RAZAZAROHAVANA Pierrette – RAMILISOA Dina Raymonde Elisa – RANDRIANJANAHARY Minah Felaniony Teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny asabotsy 24 jolay 2021 Araho ny fotoana tamin’izany :

20/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho tompon-daka any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 18 Jolay 2021, hiombonana @ sampana Fivondronana Laika manerana ny FJKM, hibanjinana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena @ antson’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 3:12-16 : « 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy

11/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny STK – 11 jolay 2021

Alahady 11 Jolay 2021, alahadin’ny STK, nitondran’i Pasteur Misaina ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 10;1-10. Handeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :