Nodimandry i Marie Ambourger, mpamorina ny MAMRE
Ny FJKM, ny synodam-paritany Antaninarivo Atsinanana, ny Masera MAMRE sy ny komity dia mampandre antsika ny fodiamandrin’i Marie Ambourger izay nanorina ny Fikambanana Masera MAMRE eto Madagasikara, tamin’ny alahady 18 Aprily 2010, ny nofony dia efa voalevina tany Kemper tamin’ny alarobia 21 Aprily 2010 ary nisy fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana izay notanterahina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo tamin’ny alarobia 21 Aprily 2010 tamin’ny 12h30.
Taratasy fisaorana avy amin’ny MAMRE:
Ny komity sy ny Masera MAMRE dia misaotra sy mankasitraka anareo tamin’ny fandaminana rehetra ka nanekenareo nanokatra ny Fiangonana hanantanterahana ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana noho ny fodiamandrin’ny mpanompo vaviny Marie Ambourger, isaorana indrindra ny Mpitandrina miza-draharaha sy ianareo mpianakavin’ny finoana izay tonga nododododo sy nanotrona, nampahery anay, Andriamanitry ny fiadanana anie hampahery anareo rehetra.