FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Fifohazana

Faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Fifohazana

Publié le 11 mars 2022 à 08:03

Miarahaba amintsika amin’ny anaran’i Tompo.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika mpianakavin’ny finoana fa afaka hidera sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha – 30 taona izay nijoroan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Izany dia ho tanterahana  ny alahady faha – 13 martsa 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Koa dia hery lehibe ho an’ny Sampana ny fanatrehantsika izany fety fankalazana izany.

Koa mba ho fanamarihana izany fankalazana izany dia asaina isika tsirairay avy mba hanao akanjo fotsy , indrindra  ho an’izay afaka manatanteraka izany , mandritra ny fanompoam – pivavahana maraina.

Antsan-kira

Dia entanina ihany koa isika ny amin’ny antsan – kira izay ho tanterahan’ireo antoko mpihira maro samihafa ny tolakandro izay ho tanterahana ao amin’ny Akany ny alahady faha – 13 martsa 2022 manomboka amin’ny 14 h 00 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

Ny Biraon’ny Sampana Fifohazana.


Lire aussi

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.

14/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny lanitra mamangy ny tany

Alahady 14 Janoary 2024, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Lehibe ny Voninahitr’Andriamanitra« , ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha, Andriamifidy Miora, ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 9 : 28-36 Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra.Mat. 17.1-13;Mar. 9.2-13.28ARY rehefa tokony ho havaloana taorian’izany teny izany, dia nitondra an’i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. 29Ary

07/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manavao ny fiainantsika Jesoa, manome fandresena ho antsika Jesoa

Alahady 07 Janoary 2024, alahady voalohany @ity taona ity, andinihina ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra« , ka nitondran’ny mpitandrina John Rakotonirainy, SG ny FJKM, ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 19 : 27-29 «  27Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho

31/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andriamanitra miandàny @ olony

Alahady 31 desambra 2023, alahady farany @ taona 2023, anatin’ny lohahevitra hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« , nitoriana ny tenin’Andriamanitra araka ny Isaia 26 : 11-15  » 11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny  fahasaro-piaronao amin’ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. 12Jehovah ô, manorina fiadanana

25/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Noely 2023 : Jesoa Kristy dia Mpanjaka

Krismasy 2023, Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao, « Ankalazao ny Mpamonjy ». Ny mpitandrina Prezida Synodaly Antananarivo Atsinanana, ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra mpitandrina no nitarika sy nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Isaia 11 : 1-10 : Ny amin’ny famonjena hataon’Ilay Solofon’i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin’izany1Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese,

24/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany!

Alahady 24 Desambra 2023, alahady farany @ advento @ity taona ity, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Ankalazao ny Mpamonjy ». Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny ROmana 11 : 33-36 « 33Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! 34Fa