FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fa maninona moa ny Fiangonana no mifady sy miady amin’ny fisotroana sy fidoroana

Fa maninona moa ny Fiangonana no mifady sy miady amin’ny fisotroana sy fidoroana

Publié le 19 mars 2006 à 08:03

Famelabelarana nataon’dRavelomanantsoa Rivo, filohan’ny Rantsana Fanantenana Foibe FJKM tamin’ny Alahady 19 mars 2006 tao amin’ny Akany Ralibera Daniel

Ny Mpandrindra RALAMBOMAHAY Mino no nitarika ny fotoana , notron’ny Mpitandrina RAKOTOARITSIFA. Natomboka tamin’ny vavaka ny fotoana sy teny fohy fanazavana momba ny Tetik’asa ary narahin’ny filazalana momba ny fandaharam-potoana.
Dia avy eo , natolotra ny Mpadahan-teny ny sehatra.
Teny fampidirana : Tamin’ny taona 1970 no nitsangana ho Sampana Vovoko Manga ( SVM) ny VokoVoko Manga. (VVM) Ny fitsipika fototra dia lany tamin’ny Synaoda lehibe.
Mifady taoka tanteraka ny Vovovoko Manga. Jesoa Kristy no fototry ny fiangonana FJKM ka , ny teny hambaran’ny TOMPO no tokony hampiarina amin’ny fiainana ny olombelona..isan’andro

1 – Tsy nampianatra amin’ny ny fisotroan-toaka i Andriamanitra :

« Aza misotro divay na toaka hianao na ny zanakao, mba tsy ho faty hianareo … » Levitikosy 10,9
« Dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy,ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voalomboka akory, na ny lena na ny maina » Nomery 6,3 “

« Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ny divay ary mivembena azon’ny toaka; resin’ny divay ireo; Mivembena azon’ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ny fitsarana. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana .”Isaïa 28:: 7,8″

« Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’n’izao fiaianana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany » Lioka 21 :34

« Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao : fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra » Galatianina 5: 19-21

2 – Loza ny misotro taoka :
« Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny taoka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy Hendry« , Ohabolana 20:1 :

« Lozan’izay mifoha marina koa ka mitady toaka !izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirahetin’ny divay !« , Isaïa : 5 :11

« Loza’izay mampisotro divay ny namany, dia hianao izay manampy fahatezerena ka mampahamamo azy mba hijery ny fitanjahany » Habacuc 2 : 15

« Mialà, mialà amin’ny làlandratsinareo, fa nahoana moa no te ho faty hianareo », Ezekiela 33 : 11b

3 – Satria Tsy mahafaly an’Andriamanitra :
« Indro efa nataoko teo anoloanao androany, ny Fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza » Deotoronomia 30 15

« Tsy fantatareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo ? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany » 1 Korintianina 3 : 16 sy 17

4 – Tsy afaka miara mitoetra ny taoka sy ny fanahy masina :

« Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy masina, izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra ? ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo » 1Korintianina 6 :19

« Fa hoy izaho : mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanterakany filan’ny nofo hianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo » Efesianina 5: 16-17

Nisy avy eo fanontaniana sy fanehoan-kevitra nifanakalozana teo amin’ny mpanatrika sy ny mpandaha-teny.
Tsapa fa nahaliana tokoa ny lahateny , ary nandray anjara tamin’ny fandraisam-pitenenana ny tanora maro tonga teo. Natao tamin’io fotoana io koa ny fampiratiana ny sary sy ny laha tsoratra n’ ireo nandray anjara tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny Tetikasa tamin’ny 2005.

Sary : 9 Lahatsoratra : 2

Marihina fa nandray anjara mavitrika ny AMA , nanolotra hira teny anelanelam-potoana. Nofarana tamin’ny fanalana hetaheta ny fotoana


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :