FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa, Isaia 40.31

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa, Isaia 40.31

Publié le 09 décembre 2010 à 02:12

I Fa izay miandry an’i Jehovah
Ny miandry dia izay manantena valiny. Ny miandry dia izay mivavaka tsy mitsahatra. Sarin’ny zazavavy miandry ny malalany eo am-bavahady amin’ny takariva izany fahamalagasy ary koa sarin’ny raiamandreny miandry ny zanany avy lavitra eo andrefan-tanana ka tsindrian-daona be ihany ary mety ho sarin’ny vahoaka miandry ny mpitondra hafatry ny lehibe. Ity farany no manakaiky kokoa izay lazain’i Isaia. Ny fiandrasana ny maraina ao ambadiky ny fahababoana no lazaina eto. Tsy mora ny miandry ny fotoam-panafahana satria ny manodidina rehetra mandiso ny fampanantenana fanafahana avokoa. Sarotra ny lalana mody any Jerosalema ary ny babyloniana fahavalo mandatsa sy manakivy! Ny vontoatin-kafatr’i Isaia anefa no milaza fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa. Eny an-dalana ny Fiangonan’Andriamanitra dia ny Zanak’Israely ary mizotra hody avy any am-pahababoana saingy tsy izy rehetra no manantena ho afaka fa ireo antsoina ho ny sisa ihany ! Izany hoe ireo salohim-boaloboka tsy voajinja ho amin’ny fanaovan-divay fa ireo miparitaka eny an-dalana ka tsimponin’ny izay mahita dia ireo tsy mba manana tanim-boaloboka fa miasa isan’andro aman’olona.
Ry Fiangonan’ny Fanekena Vaovao ! Moa tsy notsimponina teny ivelan’ny tanimboaloboka izaho sy ianao! Izay tsy firenena akory fahiny anefa efa tonga ankohonan’Andriamanitra ao amin’ny Faneken’ny Batisa ankehitriny? Ny tsy fahafantaranao izany toerana misy anao izany no tsy ahitanao fiadanana amin’izao fanarahana ny Tompo izao. Tsy mandeha ho azy ny mahaKristiana fa tsy maintsy hadihadiana lalina. Fanomezana ny fiainana ary nantsoina maimaim-poana isika saingy mitaky fanetren-tena izany satria ny fandavan’ny jiosy ny famonjena no nahazoantsika toerana. Samy miandry ny Mesiany na ny Jiosy na ny Kristiana saingy iray ihany ve ireo? Ny tahirin-tSoratra jiosy sy kristiana dia mampitovy ny sarin’Ilay ho avy dia ny Mpanjaka be voninahitra! Anefa tsy tokony hijaly ny Mesia hoy ny Jiosy ary tsy i Jesoa Kristy no Mpanjakany; ny kristiana kosa manamafy fa Ilay nijaly sy maty no hiverina amim-boninahitra eny amin’ny rahon’ny lanitra. Ny tsara indrindra dia ny mitodika amin’ny famantaran’ny fotoana dia fanjakan’ny haizina madiva hifarana. Isaky ny migadona ny taom-baovaom-piangonana dia miaina io fanafahana io isika ary izany no mahafaly satria mitsahatra ny fanaintainana. Efa akaiky ireo alahady 4 mialoha ny Krismasy koa miomana fatratra isika hitsena Ilay avy ho amin’izao tontolo izao; tsy amin’ny hery sy fitsarana anefa fa amin’ny fietrena lalina sy ny fahalemem-panahy! Jesoa zazakely; endriky ny fahalemen’Andriamanitra manoloana ny hery setran’olombelona anefa koa fanomezana olona ho solontsika amin’ny fanefana ny trosam-pahotantsika!
Tsy haizina mifarana ve ny taom-piangonana tonta sy tsy sahaza antsika intsony? mifarana ny tsy fahombiazana sy ny havizanana ary ny fijaliana amin’ny endriny rehetra; ny fiovaovana ateraky ny zava-misy tsy niomanana sady sangodim-panina isanandro ary izany fangirifiriana izany no atsahatra iray volana mialoha ny Krismasy manomboka ny 28 Novambra. Io no fiandohan’ny Taona vaovao ka ny fizarana voalohany dia antsoina hoe Advento na Avent izay ampiasantsika ny loko litorjika maitso, sarin’ny ahitra fiandrasan’ondry sady fialan-tsasatra; manondro fanantenana ihany koa dia fanantenana  tsy mampahamenatra sady vato fantsiky ny aina.
2. Dia mandroso hery kosa
Ny manantena ihany no tsy resy ety an-tany hoy ny Mpanakanto ary mihoatra lavitra noho izany ny fanatenana kristiana satria io no fanantenana tsy mamitaka ary avy amin’izany no loharanon-kery; io no solika manodina ny finoantsika. Raha mandeha lavitra ianao ka sambany vao nandeha io lalan-davitra io ary nandeha tontolo andro dia tsaroanao fa arakaraky ny itsinjovana lavitra ny toerana itodianao no ahatsapanao fifaliana fa efa akaiky ny tanjona. Tsy tahaka izany izay lazain’Isaia eto fa tena mifanohitra amin’izany. Tsy ahita-mitsinjo ny fahoriana ary manjaka tanteraka ny haizina. Mandrovi-tsihy Satana fa efa hifarana ny asany ary tsy mitsitsy ny aintsika  ny fahavalo fa manao jinja fary! Saingy ny mahagaga dia izao; ao anatin’ny haizina no miposaka ny mazava; tsy hitan’ny maso anefa fa raha izany dia hazavana mandalo fa Ilay Mazava tokana dia Ilay anton’ny finoantsika: Jesoa Kristy Ilay tsy azon’ny olona raisina na fihinina fa Ilay Misy sy Marina ao anatin’ny finoana dia ny finoana irery ihany «Sola fides». Hoy Pascal olon-kendry milaza izany: ‘Jesoa Kristy tonga tao amin’ny haizina be loatra dia tsy hitan’ny olona akory ka ny zava-malaza tao amin’ny tantara ihany no notanisainy‘
Tsy nahagaga izany satria tsy tao ny finoana. Fiaraha-monina tsy mivelona amin’ny fanantenana no nisy hatry ny ela ka nandroba izay hitan’ny masony. Tsy toy izany kosa ny Kristiana fa ahitsin’ny Tenin’Andriamanitra ary velominy isanandro. Zava-dehibe ny fahalalana fa ny finoana no ahitana an’i Jesoa fa sanatria tsy ny fahitana no miteraka finoana! Ny famantarana dia natao ho an’ny efa mino handrosoany amin’ny fanarahany ny Tompo fa tsy natao ho an’ny tsy mino velively. Tsy manampy amin’ny finoana ny famantarana fa vao mainka mampihemotra aza. Izany no antony tsy ahitan’ny olona afa-tsy fahoriana ka mahatonga azy himonomonona satria tsy mahita afa-tsy ny fahavoazana izy. Rehefa mihaona ny kristiana dia mifanakivy noho ny hasarotry ny fiainana; ny fahaverezan’asa, ny orana tsy mety latsaka, ny asan-jiolahy; ny fikorontanana isan-karazany.Azo tanisaina ireny saingy farano toy izao ny resaka: Tia anao Andriamanitra ka saro-piaro aminao ary manao izay itodihanao Aminy isanandro ary manefy anao hahazaka fitondrana atao amin’ny zanaka tiana! Izany haizina mitankosina izany tokoa raha sainina no miteraka fahoriana ary ny fahoriana, ara-tSoratra Masina, raha ampiasaina no miteraka fahatsaram-panahy voazaha toetra. Ny kristiana raha mijaly vao mainka mihavao; fa ny ratsy fanahy kosa vao mainka miharatsy hatrany. Aiza ho aiza ary izao ianao?
Efa ho lasa ny alina; aoka hiomana isika ary aoka hirehitra ny jirontsika satria ho avy Ilay tsy mitaredretra. Mivavaha ary miambena! Hoy ny vavaky ny Fiangonana hoe « Avia Jesoa Tompo» Ary hoy ny Tompo: « Eny avy faingana Aho!». Amena.

Rakotoniera Christian Eric Mpitandrina


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :