Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika
« Mandresy ny fahafatesana ny Tompo »; izany no lohahevitra banjinintsika amin’izao Paska 2022 izao. Ny tompo sy ny fiadanany anie ho amintsika rehetra ka hahatonga antsika hiombom-pandresena amin’ny Tompo Andriamanintsika.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IKor 15 : 54 – 58 teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo tamin’ity Alahady paska 17 Aprily 2022 ity : « 54Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ,,Ny fahafatesana noresena ka levona’’ (Isa. 25.8). 55,,Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?’’ (Hos. 13.14.) 56Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota. 57Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.58Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. »
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :