Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao
Alahady 13 Jona 2021, hitondrana am-bavaka ny Sekoly FJKM.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 2:1-10 : « Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ny mpianakavin’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy. Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’i Neily ny fiara. Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy. Ary nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy. Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity. Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy Hebreo va aho hankat? aminao mba hitaiza ny zaza ho anao? Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ny zaza. »
Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :