FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa

Alahady 04/12/2022 : Haleloia, hidera an’i Jehovah @ foko rehetra aho

Publié le 04 décembre 2022 à 09:12

Ny Alahady 04 desambra 2022 kosa no fotoana nankalazana an’Andriamanitra, niaraka tamin’ny fiangonana manontolo sy ny zanak’am-pielezana noho ny Jobily faha-25 taona nitandreman’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain mivady. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izany :

» Tohiny...

Zoma 02/12/2022 : Jobily Volafotsy – Pst. Randrianarisoa Alain mivady

Publié le 02 décembre 2022 à 09:12

« Haleloia, hidera ny Tompo amin’ny foko rehetra aho », Salamo 111 Izany salamo izany no nentina nankalazana an’Andriamanitra tamin’ny zoma 02 desambra 2022 noho ny Jobily faha 25 taona nitandreman’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain mivady. Izany fotoana izany moadia niarahana nideràna an’Andriamanitra niaraka tamin’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana sy ny Birao foibe FJKM. Andeha hiombona amin’izany fotoana izany

» Tohiny...

Fanentanana 25 taona Pst. Randrianarisoa Alain

Publié le 20 novembre 2022 à 11:11

« Haleloia, hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho », Salamo 111, 1a Afaka alahady 2 dia ho tonga ny andro firavoravoantsika hankalazana  ny Jobily volafotsy maha-mpitandrina an’Andriamatoa Randrianarisoa Alain mivady. Hatraiza ny fanomanana ? Zoma 02 desambra 2022 : fanompoam-pivavahana hanasàna ny Foibe FJKM, Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, Fiangonana, fianakavian’ny mpitandrina ary ny vahoakan’Andriamanitra, izay arahina sakafom-pifaliana

» Tohiny...

Fifaninana hira faneva 25è

Publié le 22 juillet 2022 à 12:07

Noho ny Jobily faha  – 25 taona maha-mpitandrina an’i Pasteur RANDRIANARISOA Alain mivady, dia manasa ny mpiara-mivavaka rehetra ny komitin’ny Jobily mba handray anjara amin’ny fifaninanana HIRA FANEVA izay entina  hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Toa izao ny andinindininy tsara ho fantatra : Hira misy andininy telo (03), an – dalana valo (08) avy fara – fahabetsany

» Tohiny...

Fitsangatsanganana 2022

Publié le 02 juin 2022 à 04:06

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka

» Tohiny...

Alahady fanokafana ny faha-25 taona nitandremana

Publié le 03 mai 2022 à 01:05

Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

» Tohiny...