FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Jobily 150 taona

Nitondra am-bavaka ny asa fanavaozana ny Akany ny FLD

Publié le 01 avril 2015 à 08:04

Mialohan’ny fiofanana ny 14/03/2015, dia nanokana fotoana ny Firaisan’ny Loholona sy Diakona mba hitondrana am-bavaka ny fizotry ny asa fanavaozana ny Akany Ralibera Daniel, izay tsangambaton’ny faha-150 taonan’ny fiangonana.

» Tohiny...

Sakafom-pifaliana voalohany noho ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 16 mai 2014 à 08:05

Amin’ny alahady 18 mai 2014 ho avy izao no hanatanterahina ny sakafom-pifaliana eny amin’ny CEMES Soanierana, iza tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazanan ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ity fotoana ity tokoa no sakafom-piraisana voalohany nokarakaraina noho izao faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Koa dia manentana antsika ny komity amin’ny fandraisana anjara satria anisan’ny hetsika lehibe ho

» Tohiny...

Tatitra ara-bolan’ny Jobily faha-150 taonan’ny fiangonana

Publié le 03 décembre 2013 à 02:12

Toy izao ny toe-bolan’ny Jobily faha-150 taonan’ny fiangonana ny 01 desambra 2013 : An-tànana tamin’ny faran’ny volana oktobra 2013 : 11 616 246 Ar Vola niditra Novambra 2013 : 967 568 Ar Vola nivoaka : 8 750 000 Ar An-tànana 01/12/2013 : 3 833 814 Ar Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra

» Tohiny...

Que la beauté de notre Seigneur Dieu soit avec nous

Publié le 10 octobre 2013 à 10:10

Alahady 06 oktobra, ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina RANDRIAMORA Max no nitondra ny hafatr’Andriamanitra izay niainga indrindra avy amin’ny teny fanevan’ny Jobily : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay; Eny, ny asan’ny tànanay, ampitoero izy. », Salamo 90,17

» Tohiny...

Ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona : napetraka ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva

Publié le 10 octobre 2013 à 08:10

Tanteraka soa aman-tsara ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva izay kasaina hahorina eto amin’ny tokontany avaratry ny fiangonana. Ny Asabotsy 5 oktobra 2013 teo no nanatanterahina izany; ary narahina fampirantina ny tantaran’ny fiangonana sy fiaraha-misakafo tao amin’ny Akany Ralibera Daniel

» Tohiny...

Hira fanevan’ny faha-150 taona : Ho voninahitrao

Publié le 28 septembre 2013 à 10:09

Afaka henoinao eto ny hira fanevan’ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Eo ihany koa ny toniny sy ny solfa an’izany hira izany. Ho voninahitr’Andriamantra sy ho fiderana Azy noho izao taon-jobily izao.

» Tohiny...

Sary rary vato tsangambato faha 150 taona

Publié le 26 septembre 2013 à 10:09

Indro atolotra anao sary vitsivitsy maneho ny fandroson’ny asa amin’ny fanavaozana ny Akany Ralibera Daniel, izay nosafidiana ho tsangambaton’ny faha-150 taonan’ny fiangonana. Sary nalaina ny 22 septambra 2013

» Tohiny...

Ivon’ny fankalazana ny Jobily faha-150 taona

Publié le 15 septembre 2013 à 05:09

Ny Asabotsy 5 sy alahady 6 oktobra 2013 no ivon’ny fankalazana ny Jobily faha-150 taonan’ny fiangonana. Ka toy izao no programa amin’izany : – Asabotsy 05 oktobra 2013 amin’ny 9 ora maraina : fotoam-pivavahana hiarahana amin’ny Foibe FJKM, Synodam-paritany, faritra Avaratr’Andohalo. Ao aorian’ny fotoana dia hisy ny fametrahana ny vato fehizoro etsy amin’ny tokontany avaratry

» Tohiny...

Bodo ao amin’ny Akany Ralibera ny 29 septambra 2013

Publié le 15 septembre 2013 à 05:09

Ny Alahady 29 septambra 2013 amin’ny 2 ora sy sasany, dia hisy fampisehoana, fitoriana ny filazantsara, hotanterahin’ny zanaky ny fiangonana, dia tsy iza izany fa i Bodo. Izany dia moa dia tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsiky ny tsangambaton’ny faha-150 taonan’ny fiangonana. Koa dia manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka ho avy amin’izany fotoana mahafinaritra izany. Ny

» Tohiny...

Efa vita ny rary vato sy ny fanavaozana ny lalan-drano rehetra

Publié le 15 septembre 2013 à 05:09

Mandroso tokoa ny asa fanavaozana ny Akany Ralibera Daniel, izay nosafidian’ny fiangonana ho tsangambaton-ny faha-150taonany ka isaorana ny Tompo izany. Efa vita ny fanavaozana ny rary vato sy ny fanavaozana ny lalan-drano rehetra amin’izao fotoana izao, ka mankasitraka ny kristianina rehetra izay nanohana ny hezaka, kanefa mbola mitohy hatrany ny fandraisana ny ezaka avy amintsika

» Tohiny...