FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Rakotoniera Christian Eric

Fizotry ny fandraisan-tànana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 04 décembre 2013 à 12:12

Andriamatoa RANDRIAMAHAZOMANANA Jacquis, filoha lefitry ny fiangonana, no nitarika ny fotoana  fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Chrisitian Eric mianakavy. Fanolorana sy tsiahy Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nisy tokoa ny fitantanan’Andriamanitra ka nahatongavana amin’izao fandraisan-tànana ny mpitandrina izao; dia ny 13 mey 2013, rehefa nanontaniana isika loholona sy diakona ary mpandray fanasan’ny Tompo dia

» Tohiny...

Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 02 décembre 2013 à 09:12

Ry havana malala, misaotra an’Andriamanitra isika noho ity fotoana ity, fotoana sarobidy tokoa, tsy ho anareo fiangonana ihany, fa indrindra ho anay koa, eo amin’ny fitomboanay sy ny fivelarany amin’ny asa fanompoana maha-mpitandrina izay efa niantsoan’ny Tompo anay. Misaotra an’Andriamanitra isika satria zava-dehibe loatra ny fifanomezam-boninahitra; navelan’Andriamanitra hifanome voninahitra isika satria Izy efa nanome antsika izany voninahitra tsy mety lo izany.

» Tohiny...

RAKOTONIERA Christian Eric : Tantaram-piainana

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Teraka ny 05 Septambra 1968 tao Amboavahy Antehiroka Ambohimanarina, Zanak’i Rakotoniera (efa nodimandry) sy Razafindrazanaka Noeline. 6 mianadahy no niara-notezaina ka izaho no farany. ———————————————- Nianatra tao amin’ny Sekoly Fivoarana Kristianina Ambohidroa Antehiroka, EPP Ambodinisotry, CEG 67 ha, Lycée Jules Ferry Faravohitra Antananarivo Ny taona 1986: Nahazo ny Baccalaureat Série A1. Ny taona 1988: Nianatra

» Tohiny...

Fanasàna ho amin’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 novembre 2013 à 06:11

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SINAODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA FARITRA AVARATR’ANDOHALO FITANDREMANA AMBAVAHADIMITAFO « Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; » (2 Korintiana 9:8) FANOMPOAM-PIVAVAHANA FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA SY FANDRAISAN-TANANA NY MPITANDRINA Dr RAKOTONIERA Tantelinirina Christian Eric, mianakavy Noho ny

» Tohiny...

Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 02 novembre 2013 à 10:11

Andro lehibe, vanim-potoana lehibe ho an’ny fiangonana tokoa ny asabotsy 23 sy alahady 01 desambra 2013 satria horaisin-tànana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera Eric mivady. Ny hetsika manokana hoentina manamarika izany fankalazana izany dia ny fotoam-pivavahana ny asabotsy 23 Novambra 2013, izay harahina fiaraha-misakafo, ka hiarahana amin’ny Synodam-paritany sy ny Foibe FJKM ary

» Tohiny...

Miala sasatra any Diégo ny mpitandrina Rakotoniera mianakavy

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny volana septambra 2013 no fotoana fialantsasatry ny mpitandrina Rakotoniera mianakavy, koa mirary soa azy ireo isika hitondra rivotra tsara sy fahasalamana ary hery sy tanjaka ho azy ireo izany. Mandritra izany tsy maha-eo ny mpitandrina izany dia afaka manantona ny Biraom-piangonana isika amin’ny raharaha ankapobeany. Afaka manantona ny Mpitan-tsoratry ny arsiva ihany koa isika

» Tohiny...

Fotoam-pialantsasatry ny Mpitandrina – septambra 2012

Publié le 14 septembre 2012 à 08:09

Ny mpitandrina Rakotoniera Eric dia ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra mandritra ny volana Septambra. Ny fiverenany miasa dia ny Alatsinainy 01 Oktobra. Ny fandraisan’olona dia ny alarobia 03 Oktobra maraina na koa azo antsoina mialoha izy araka ny laharan-tariby mahazatra. Ny raharaha rehetra mandritra io iray volana io dia ny Biraon’ny Fitandremana no mandamina izany. Aoka hanatona

» Tohiny...

Vokatry ny fanehoan-kevitra tamin’ny 13 mai 2012 mikasika ny fandraisan-tànana ny mpitandrina

Publié le 14 mai 2012 à 07:05

Toy izao ny vokatry ny fanehoan-kevitra amin’ny fandraisan-tanana ny Pastera RAKOTONIERA Eric natao ny alahady 13 mai 2012 tao amin’ny fitandremana FJKM Ambavahadimitafo

» Tohiny...

Satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka

Publié le 14 octobre 2011 à 07:10

Toriteny tamin’ny asabotsy 10 septambra 2011,  fanokanana ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric ho mpitandrina eo amin’ny sahan’ny FJKM na Consecration pastorale. Ny teny nosafidian’ny mpitandrina tamin’izany dia ny tao amin’ny II Korintiana 4 : 1 1 Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.

» Tohiny...

Toriteny 6 febroary 2011 : Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona

Publié le 14 février 2011 à 11:02

Ny tenin’Andriamanitra hakana ny hafatra dia ao amin’ny filazantsaran’i Jaona 1 : 4 : « Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona ». Toriteny nataon’ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

» Tohiny...