FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Filazana manjo

Nodimandry Rahaga Ramaholimihaso

Publié le 12 décembre 2013 à 05:12

Amin’ny alahelo lehibe no hampandrenesan’ny fianakaviana Ramaholimihaso sy Ramanandraibe ny fodiamandrin’ny malalany Rahaga Ramaholimihaso, ny 10 desambra 2013 tany Paris. Araka ny vaovao heno dia tokony ho tonga eny Ivato amin’ny alatsinainy ho avy izao ny razana. Hiezaka izahay hampita amintsika ny vaovao farany momba ny fandaminana mba hahafahantsika manatanteraka ny adidy farany amin’izany mpiara-manompo

» Tohiny...

Décès de Rahaga Ramaholimihaso

Publié le 12 décembre 2013 à 11:12

Les familles Ramaholimihaso et Ramanandraibe ont la tristesse de vous faire part du décès de leur bien aimé Rahaga Ramaholimihaso qui s’est éteint dans la paix du Seigneur le 10 décembre 2013 à Paris.

» Tohiny...

Poème de Danielle

Publié le 03 janvier 2011 à 10:01

Tononkalo nosoratan’i Danielle noho ny fodiamandrin’ny vadiny, ANDRIATAVY Fabrice Tiana ny 27 décembre 2010. I Danielle moa dia ekipan’ny site web ary mpanangona sy mpanoratra ny lahatsoratra mivoaka eto. Mirary fiononana feno ho azy izahay ary ny Tompo anie homba azy telo mianaka.

» Tohiny...

Nodimandry i Marie Ambourger, mpamorina ny MAMRE

Publié le 04 mai 2010 à 12:05

Ny FJKM, ny synodam-paritany Antaninarivo Atsinanana, ny Masera MAMRE sy ny komity dia mampandre antsika ny fodiamandrin’i Marie Ambourger izay nanorina ny Fikambanana Masera MAMRE eto Madagasikara, tamin’ny alahady 18 Aprily 2010, ny nofony dia efa voalevina tany Kemper tamin’ny alarobia 21 Aprily 2010 ary nisy fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana

» Tohiny...

Nodimandry Ramiadanirina Marthe

Publié le 27 janvier 2010 à 12:01

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay : RAMIADANIRINA Marthe dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy tamin’ny Alatsinainy 18 Janoary 2010 rehefa nivahiny 26 taona teto an-tany. Anisan’ny mampandre antsika ny iray tampo aminy, pasteur RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry (mpitandrina stagiaire teto amin’ny fiangonana)

» Tohiny...

Nodimandry Randriamilamina Claire Yvonne

Publié le 27 janvier 2010 à 12:01

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny reny malalanay :  RANDRIAMILAMINA Claire Yvonne (vady navelan’Itpklh Randriamilamina Arthur Samuel) dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny Sabotsy 16 Janoary 2010 rehefa nivahiny 65 taona teto an-tany. Anisan’ny mampandre antsika Dr RAMANAMIRIJA Jean Aimé sy ny zanaka aman-jafiny

» Tohiny...

Fisaorana tamin'ny fampaherezana noho ny fodiamandrin'i Rabezanahary Jacques

Publié le 16 octobre 2009 à 12:10

Ny vadin-dRamatoa Raharisoa Blandine, ny zanany, ny zafiny, ny zafiafiny, ny iray tampo aminy, Atoa Rabezanahary Justin mivady, ny taizany Rtoa Ravelonjanahary, ny fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankatelemana ny Mpitandrina sy ny fiangonana manontolo tamin’ny fanotronana sy fampaherezana izay nataonareo tamin’ny fodimandrin’ny hava-malalany tompokolahy Rabezanahary Jacques. Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo.

» Tohiny...

Nodimandry i Ralijaona Parson

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Ralijaona Parson dia nodimandry tamin’ny Talata 22 Septambra 2009 rehefa nivahiny 90 taona teto an-tany.

» Tohiny...

Nodimandry i Rabezanahary Jacques

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Rabezanahary Jacques dia nodimandry ny Zoma 2 oktobra 2009 hoy ny vadiny Raharisoa Blandine, ny zanany Rosoloarisoa Jacqueline mianadahy avy.

» Tohiny...

Fisaorana noho ny fodiamandrin'i Rajaona Parson

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Andriamantoa Ranaivo Blaise mivady sy ireo iray tampo aminy ary ireo fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ireo rehetra nampionona sy nitrotro am-bavaka ary tonga nidodododo, nankahery tamin’ny namoizany ny rainy Rajaona Parson. Andriamanitry ny fitiavana anie hamaly fitia anareo ary miala tsiny indrindra amin’ireo izay tsy tratra antso noho ny hafenon-drano be

» Tohiny...