FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

SLK

Toriteny an-kira nentin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, faha-15 taona SLK Ambavahadimitafo

Publié le 08 mai 2022 à 04:05

Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

» Tohiny...

SLK

Fifampiarahabana taom-baovao

Publié le 26 février 2010 à 08:02

Ny Sampana Lehilah Kristiana (SLK) dia miantso ny mpikambana ao aminy sy izay maniry hanatevin-daharana ny fikambanana fa ny fifampiarahabàna ny taona 2010 dia hotanterahina ny alahady 7 Martsa 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

» Tohiny...

SLK

Niarahaba ny Reny ny Sampana Lehilahy Kristiana noho ny Fetin’ny reny

Publié le 10 juin 2009 à 08:06

Nirary soa sy nanolotra fanomezana ny reny tao am-piangonana ny SLK Toy ny efa fanao dia nanolotra fanomezana sy fiarahabana manokana ho an’ny reny ny Sampana Lehilahy Kristiana. Teny fiarahabana : Amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy Tompo no hiarahabanay anareo Renim-pianakaviana izay nahatratra izao andro izao. Andro fifaliana tokoa izany satria andro andraisana fitahiana. Hoy ny

» Tohiny...

SLK

Programan’ny SLK

Publié le 11 mai 2008 à 08:05

Hetsiky ny Sampna Lehilahy Kristiana – Hanao fitsangatsanganana eny Ivato (tokantranon’Atoa Andriambao Hery) ny SLK ny 12 mai 2008 – Amin’ny 18 mai 2008 kosa dia hisy fandalinam-pinoana ataon’i Pasitera Andrianary Jean Philemon (mpiza-draharaha eto amin’ny fiangonana)

» Tohiny...

SLK

Nijoro ny Sampana Lehilahy Kristiana – 13 mey 2007

Publié le 14 juillet 2007 à 08:07

Resadresaka nifanaovana tamin’ny Filohan’ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)Ambavahadimitafo,RAVELOJAONA Feno Niriana Hoviana no niforona ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)? Tamin’ny taona 1982 no niforona ny SLK teo amin’ny sahan’ny FJKM manerana an’i Madagasikara. Fa ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia tafajoro androany; androany 13 mey 2007. Fa mbola mijoro fotsony izany, tsy mbola tena ara-dalàna

» Tohiny...

SLK

Nitsangana ny Sampana Lehilahy Kristiana

Publié le 14 mai 2005 à 08:05

Tafatsangana tamin’ny 13 mey 2007 (fankalazana ny fihorenan’ny SLK teo amin’ny ny sahan’ny FJKM) teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Sampana Lehilahy Kristiana. Izy izany no sampana nihorina farany. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana izany sampana izany: Filoha : RAVELOJAONA Fenonirina Filoha Lefitra : RASOAMANANA Berthin Mpitam-bola : RASOAMANANA Hary Lanto Mpandinim-bola :

» Tohiny...