FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fampianarana

Fampianarana : Hazakazaka masina

Publié le 02 octobre 2022 à 09:10

Alahady 02 Oktobra 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto anivon’ny FJKM hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana« . Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny fampianarana mahakasika ny atao hoe « Hazakazaka masina » araka ny FJKM. Manasa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

» Tohiny...

Fiofanana Loholona sy Diakona : Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara

Publié le 05 mars 2022 à 06:03

Ho antsika Loholona sy Diakona eto @ FJKM Ambavahadimitafo manokana ity fampitàna ny fiofànana iza natao teto am-piangonana ny Sabotsy 05 martsa 2022, izay nanasàna manokana ny mpitandrina Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammy hitondra ny fampianarana hoe « Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara »

» Tohiny...

Fiheveran’ny kristiana momba ny aretina

Publié le 30 janvier 2022 à 01:01

Alahady 30 janoary 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny ezaka atao hitsaboana ny marary hoditra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra fampianarana ny lohahevitra hoe « Ny fiheveran’ny kristiana ny aretina ». Manasa anao hanaraka ny fampianarana :

» Tohiny...

Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

Publié le 31 octobre 2021 à 08:10

Alahady 31 oktobra 2021, alahadin’ny Reformarsiona, hamaranana ny fandinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny fampianarana avy amin’ny Tompo manodidina ny lohahevitra hoe : Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

» Tohiny...

Fa Kristy no antony ahavelomako eo amin’ny asa fivelomako

Publié le 13 septembre 2020 à 03:09

Fampianarana nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain nandinihina ny lohahevitra hoe : « Fa Kristy no antony ahavelomako eo amin’ny asa fivelomako » ny alahady 13 septambra 2020.

» Tohiny...

Ny fanetren-tena

Publié le 26 juin 2015 à 12:06

Fampianarana nandritry ny Fivorian’ny Mpandray manodidina ny fanetren-tena, alahady 01 desambra 2013 Mpitoriteny : mpitandrina Rakotoniera Eric

» Tohiny...

Fiakarana, Alakamisy 14 mey 2015

Publié le 11 mai 2015 à 11:05

« Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. »(Kolosiana 3:1,2) Fotoana lehibe ho an’ny finoana kristiana NY FIAKARANA NA ASCENSION fa ankalazaina i Jesoa Kristy niakatra velona tany an-danitra. Fotopinoana ampianarin’ny Fiangonana

» Tohiny...

Mba ho atolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona

Publié le 11 mai 2015 à 12:05

Fampianarana manodidina ny fanoloran-tena sy ny fanolorana vola eo amin’ny asam-piangonana, nandritry ny fivorian’ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo, ny 14 jolay 2013 tao aorian’ny ALahadin’ny Fetim-bokatra Mpitoriteny : mpitandrina Rakotoniera Eric

» Tohiny...

Tsy antsoina intsony hoe « mariazy miara-mizotra »

Publié le 06 décembre 2013 à 12:12

Araka ny fandaminan’ny Foibe FJKM vaovao dia tsy ho ampiasaina intsony ny fiantsona hoe « mariazy miara mizotra » fa antsoina kosa hoe « fanamasinana fanambadiana efa niorina« . Natokana indrindra izany fanamasinana izany ho an’ireo mpivady efa vita soratra taloha, na efa niteraka… ka mahatsapa fa tonga ny fotoana hanamasinana ny fanambadiany.

» Tohiny...

Famonjena ankatoky ny fandraisana

Publié le 02 novembre 2013 à 10:11

Nanamarika ny mpitandrina Rakotoniera Eric fa anisan’ny fiangonana be mpamonjy ny ankatoky ny Fandraisana ny FJKM Ambavahadimitafo amin’ny fiangonana ety ambony ety. Rehefa mifampiresaka tokoa ny mpitandrina dia nahatsikaritra fa raha vao voatonona ny Trinité Masina dia mirihotra mivoaka avokoa ny Mpandray ka vitsy monja no tafajanona. Manentana ary ny mpitandrina mba hotanantsika izany fahazotoantsika

» Tohiny...