FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Andriamanitra maneho ny maha-Izy Azy tenany amin’ny mino

Andriamanitra maneho ny maha-Izy Azy tenany amin’ny mino

Publié le 18 avril 2021 à 09:04

Alahady 18 aprily 2021, alahady faharoa manaraka ny paska, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy ».

Ny perikopa nangalana ny hafatr’Andriamanitra dia avy ao amin’ny Isaia 48 : 11-22 : « 11Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; Indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. 12Mihainoa Ahy, ry Jakoba, Sy ry Isiraely izay nantsoiko : Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. 13Eny, ny tànako no nanorina ny fanambanin’ny tany, Ary ny tànako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa. 14Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa : Iza moa amin’ireny no mba efa nanambara izany; Ilay tian’i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’i Babylona, Ary ny sandriny ho amin’ny Kaldeana. 15Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, Nitondra azy Aho, ka hambinina ny làlany. 16Manatòna Ahy hianareo, ka mihainoa; Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, Hatry ny fony vao nisian’ireo dia teo Aho, Ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny. 17Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, Dia ny Iray Masin’ny Isiraely : Izaho, Jehovah Andriamanitrao, No nampianatra anao hahita soa Sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. 18Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, Ary ho tahaka ny onjan-drano-masina ny fahamarinanao, 19Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, Ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako. 20Mivoaha hiala any Babylona; Miezaha avy any amin’ny Kaldeana; Torio amin’ny feo mahafaly, Ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany, Lazao hoe : Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony. 21Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano. 22Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah. « 


Lire aussi

24/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Maty ny finoana raha tsy misy asa

Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka

22/07/2022 A la une . Antso sy filazana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Vaovaom-piangonana

Fifaninana hira faneva 25è

Noho ny Jobily faha  – 25 taona maha-mpitandrina an’i Pasteur RANDRIANARISOA Alain mivady, dia manasa ny mpiara-mivavaka rehetra ny komitin’ny Jobily mba handray anjara amin’ny fifaninanana HIRA FANEVA izay entina  hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Toa izao ny andinindininy tsara ho fantatra : Hira misy andininy telo (03), an – dalana valo (08) avy fara – fahabetsany

17/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny VFL 2022 – ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa

Alahady 17 Jolay 2022, hitondrana am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 6 : 7 – 13 « 7ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana

10/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . STK . Toriteny

Alahadin’ny STK – Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy

Alahady 10 jolay 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FJKM. « Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana », izany no lohahevitra dinihintsika mandritra ny volana Jolay. Ny Mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Josoa 2 : 1-16 « 1ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka

03/07/2022 A la une . Toriteny

Alahady 03 jolay 2022 – Fetimbokatra

Nankalazaina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Alahadin’ny fetimbokatra tamin’ny Alahady 03 Jolay 2022. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitory ny tenin’Andriamanitra, ary ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja kosa no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoana :

26/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay

Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10  » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho

19/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny ray, alahadin’ny Vokovoko manga

Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12  » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona

12/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho

Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny

05/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Pentekosta 2022 : feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana

« Miorena tsara, aza miova » Alahady Pentekosta 05 Jona 2022, fankalazana an’Andriamanitra tamin’ny nandrotsahany ny Fanahy Masina voalohany tamin’ny fiangonana; tsingerintaonan’ny fiangonana ihany koa satria feno 1989 taona ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny apostoly 4 : 31 « Ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany,

02/06/2022 A la une . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana 2022

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka