FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ampitomboy ny finoanay

Ampitomboy ny finoanay

Publié le 11 octobre 2020 à 08:10

Alahady 11 oktobra 2020, fotoana manokana hitondrana am-bavaka ny radio protestanta, ny sampan’asa fifandraisana sy fampahalalamb-baovao (AFIFAB) : radio fahazavana, site web FJKM, gazety samihafa FJKM …

Androany koa no nanokafana tamin’ny fombam-piangonana ny toeram-pidiovana etsy atsimo atsinanan’ny fiangonana.

Ny mpitandrina miza-draharaha, Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, avy ao amin’ny Lioka 17 : 5.

Lioka 1-6 : « 1ARY hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany! 2Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza. 3Mitandrema hianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. 4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. 5Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. »


Lire aussi

26/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay

Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10  » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho

19/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny ray, alahadin’ny Vokovoko manga

Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12  » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona

12/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho

Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny

05/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Pentekosta 2022 : feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana

« Miorena tsara, aza miova » Alahady Pentekosta 05 Jona 2022, fankalazana an’Andriamanitra tamin’ny nandrotsahany ny Fanahy Masina voalohany tamin’ny fiangonana; tsingerintaonan’ny fiangonana ihany koa satria feno 1989 taona ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny apostoly 4 : 31 « Ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany,

02/06/2022 A la une . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana 2022

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka

29/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny reny 2022

Alahady 29 mey 2022, ankalazana ny fetin’ny reny ka nitondra am-bavaka manokana azy ireo androany teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny Sekoly Taninketsa no nitondra ny toriteny an-kira nandritra izany fanompoam-pivavahana izany. Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany : Manantitra ny firariantsoa ho an’ny reny izahay eto amin’ny site web, ho feno fifaliana sy fahasoavana avy

22/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo

Alahady 22 mey 2022, andinihina ny lohahevitra hoe « Manavao ny Fanahy masina« , ka nitondran’ny tarika Ny mpitory toriteny an-kira araka ny Galatiana 5 : 16 – 25 « 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra

15/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa

Alahady 15 mey 2022, « Manavao ny fanahy masina », lohahevitra amin’ity volana ity eto anivon’ny FJKM , itondrana am-bavaka ny mpiasa hiombonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 35 : 31 « ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa« .  Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana

08/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . SLK . Toriteny

Toriteny an-kira nentin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, faha-15 taona SLK Ambavahadimitafo

Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

03/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Randrianarisoa Alain . Toriteny

Alahady fanokafana ny faha-25 taona nitandremana

Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :