Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA
Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah. 3Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo. 4Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah ity. 5Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo, 6Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, 7Dia hamponeniko amin’ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin’ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ny ela ka ho mandrakizay. 8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany. 9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo? 10Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto! 11Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah. «
Andeha hanaraka izany fanompoam-pivavahana izany :