FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Alahady 31 May 2009:Toritenin'ny mpitandrina Rakotoharintsifa noho ny Pentekosta

Alahady 31 May 2009:Toritenin'ny mpitandrina Rakotoharintsifa noho ny Pentekosta

Publié le 02 juin 2009 à 12:06

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, amin’ity alahady Penkosta ity dia ny teny ao amin’ny Timoty faha-II toko 1 izay novinaky teo no hakan-tsika ny hafatra, ny ao amin’ny andininy faha-6 sy faha-7 izay mbola hiarahantsika mamaky amin’ny anaran’i Tompo ihany :

« Ary noho izany dia mbola mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny fametrahako ny tanako. Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. »

Ny Fanahy Masina no mampijoro ny fiangonana

Ry Havana, amin’ny fotoana taom-piangonana toa izao moa dia mahatsiaro isika fa miverimberina mandavan-taona ny hafatra lehibe izay raketin’ny Filazantsara ary hitaizan’Andriamanitra ny fiangonany izay miasa ety amin’izao tontolo izao. Ary rehefa tonga ny Pentekosta dia alaim-panahy isika hihevitra fa tantaran’ny lasa izany : Ny nanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ireo Apostoly voalohany sy ireo kristiana voalohany. Kanefa dia fanokafana vanim-potoana vaovao mihitsy izany satria ny fiarahan’Andriamanitra amintsika dia amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina. Ny mampijoro ny fiangonana amin’ny andro andavan’andro fa tsy amin’ny fety lehibe ihany dia noho ny Fanahy Masina.

Nofinidin’Andriamanitra i Timoty

Ary izay ny maha-zava-dehibe ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty eto : satria mampahatsiaro, mampahatsiaro ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra izay azo lazaina hoe mbola tovolahy tokoa, tamin’ny fotoan’androny, tsy isan’ireo tompon’ny fitenenana na ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ary nety nisy nanao tsinontsinona ny maha-tanora azy araka ilay hiran’ny tanora kristiana tato amin’ny synodam-paritanintsika fahizay mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy satria nataon’ny olona tsinontsinona tokoa izy , tsy noheveriny ho zavatra satria mbola tanora fanahy.

Kanefa dia mampahatsiaro Paoly, fa izany niantsoana an’i Timoty ho mpiara-miasa aminy ary ho mpitondra ny fiangonana tao amin’ny tanàna lehibe renivohitr’i Asia Mineure tamin’izany, izay province na faritany romana isany lehibe indrindra tany Atsinanana, hitondra ny tanàna renivohitry ny faritany Romana izany no naha mpitondra fiangonana azy, dia nampatsiahiviny fa nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana, izany hoe hery avy amin’ny Fanahy Masina, izany hoe fahaiza-manao hampandroso fiangonana i Timoty.

Fanolorana fahefana ny fametrahan-tànana

Ary tena efa nomen’ny Tompo izany, tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana nataon’i Apostoly satria ny fametrahan-tànana dia tsy hoe fombafomba fotsiny ihany eo amin’ny fombam-pivavahana, eo amin’ny fanaon’ny fiangonana fa tena famindrana hery, fanolorana fahefana mba hiasa ao amin’izay mpanompon’Andriamanitra atolotra ny fiangonana ny hery avy amin’ny Fanahy Masina. Ary izay hery avy amin’ny fametrahan-tànana izany, fanolorana ny Fanahy Masina, dia tokony ho tsaroan’i Timoty ary tokony ho velominy.

NB: Ilay teny hoe « ho velominy  » eto dia teny fampiasa amin’ny olona mamelona afo mirehitra, ohatra ireny afo kitay rehefa variana hianao dia efa tsisy lela afo intsony kanefa rehefa kopahina indray dia rehefa velomina indray ny afo dia midedadeda satria mafana ao fotsiny ilay izy fa tsy mahamasa-bary intsony, tsy tonga any amin’ny vodi-vilany intsony ny lelafo, dia tsy mahamasa nahandro intsony.

Ary dia tahaka izany koa : rehefa adinina i Timoty, fa izy anie ka nomena fanomezam-pahasoavana mba ho entina hanamasaka ny finoan’ny fiangonana, hitondra nahandro mahavoky sy mahatsara ny vahoakan’Andriamanitra dia manjary mitoetra ao fotsiny ilay afo ka dia mila kopahina indray ho velona tsara na hahasoa izay antony nanomezan’Andriamanitra azy.

Batisa, noraisina katekomena, raisina Mpiandry, Diakona sy Loholona…

Ary izany indrindra ry Havana no teny miantefa amintsika ankehitriny, satria isika, indrisy, dia tsy mahatsiaro tena fa olona tena nomena ny Fanahy Masina. Tsy tsapan-tsika izany, tsy hiainan-tsika loatra izany, tsy mandresy lahatra antsika akory aza izany, hoe nandray ny Fanahy Masina isika, nomena ilay fofon’aina avy amin’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana. Ary io fametrahan-tanana io, ny an’ny sasany aza efa in-telo no nametrahan-tanana : taminy natao batisa, noraisina katekomena, raisina Mpiandry, diakona sy loholona. Ko raha sady diakona koa izany izy no mpiandry dia in-efatra. Dia tahaka izany koa ny mpitandrina hametrahan-tànana ho amin’ny fanompoana.

Ny fametrahan-tanana rehetra aty amin’ny fiangonana dia fanomezana ny Fanahy Masina avokoa, ary tsy manan-danja izany raha tsy fanomezana ny Fanahy Masina.

Tsapan-tsika ve, araka ny efa nolazain’I Martin Luther sahady, efa tany amin’ny taon-jato faha-XVI, tamin’ny andron’ny fanitsim-pivavahana fa ny kristiana rehetra tamin’ny nandraisany ny batisa dia voahosotra ho amin’ny fisoronana hitambaram-be aty amin’ny fiangonana? Io no mahatonga anao ho vavolombelon’i Kristy satria vita batisa ianao: nandray ilay fametrahan-tànana tamin’ny alàlan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ianao.

Ary izany fanomezam-pahasoavana izany no hahatonga anao hijoro ho olona voavela heloka, mpitondra ny tenin’i Kristy eo amin’izao tontolo izao, ary tokony hanana fahasahiana hijoro amin’izany maha vavolombelon’I Kristy anao izany.

Ilaina fampatsiahivana, satria manjary kristiana mohaka, tsy mahavita na inona na inona, tsy sahy manao na inona na inona, tsy sahy milaza ny amin’i Kristy, ny amin’ny famonjena izay efa noraisiny tao amin’i Tompo izaho sy ianao.

Rehefa tsy velona tsara, rehefa tsy mafana tsara ao anatitsika izany fanomezam-pahasoavana izany, indraindray efa mangatsiaka loatra. Mila kristiana mafana vay toa izany ny Tompo mba ho vavolombelona ety amin’izao tontolo izao. Ary izany no iantsoan’i Tompo anao anio ho tonga eto mba ho isan’izany kristiana mafana satria mamelombelona ilay afon’ny fitiavana, ny afon’ny finoana, fa tsy teny foana, poakaty izany, fa tena fiainana, manova ny zava-misy eo amin’ny fifandraisana ao anivon’ny tokan-trano, ny fiaraha-monina, ny fiangonanan’Andriamanitra, satria izany no antony nametrahan’i Kristy antsika ho fanasina sy fahazavàna. Fa hoy Paoly hoe: « isika anie tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. »

Fanahy mahery no nomena antsika

Raha niantefa tamin’i Timoty izany tamin’ny voalohany, dia mazava loatra fa tao anatin’ny fiaraha-monina tranainy izay nisy azy, tamin’izany taon-jato voalohany amin’ny androntsika izany dia tsy manan-ko lazaina tokoa eo anivon’ny fiaraha-monina, indrindra raha fiaraha-monin’ny olon-dehibe, ny tanora, ary raha misy anti-panahy eo, dia efa ao anatin’ny fahendrena rahateo, ny mihaino azy sy manaraka izay toro-làlana avy aminy satria izany koa no andraikitry ny zoky olona eo anivon’ny fiaraha-monina. Ka ny hiafaràny, araka ny fomba tany, fomba fiaraha-monina izany dia tsy sahy niteny loatra i Timoty, nefa izy no mpitarika, nefa izy no tena nitokian’i Paoly ary tsy nomen’i Paoly olon-kafa ny fahefana fa nomeny an’i Timoty, satria izy no afaka manao izany. Araka ny heviny, sy izay efa nisedràny an’ity mpiara-miasa aminy ity, satria mpiara-miasa taminy aloha i Timoty vao nametrahany tanana ho amin’izany fanompoan’ny eveka izany (satria izany moa ny filaza azy. Ny teny hoe « mpitandrina » ato amin’ny epistily pastoraly dia hoe « eveka » no dikany) ary zava-dehibe izay eo amin’ny fahatsiarovan-tena.

Kanefa nanjary nikombona i Timoty araka ny feo ren’i Paoly any am-pigadràna, hoe tsy dia sahy loatra, kanosa, satria ilay hoe fanahy osa teo dia tena hoe hakanosana, matahotra mifararemotra, satria nisy olona lehibe noho izy ary mety ho kinga noho izy tao amin’izany renivohitry ny fanjakana izany. Tanan-dehibe ve moa hilaozan’ny olona izay mba mahavita zavatra koa?

Fa ny mampalahelo dia i Timoty no manjary resin’ny akanosàna ka tsy afaka mitarika ny fiangonana. Ary izay no nitenenan’i Paoly hoe : « raha nomena ny Fanahy Masina ianao ry Timoty, dia tsy fanahy miteraka hakanosana izany, fa Fanahy manome hery, ary izany hery izany dia natao hiasa (ary ilay hery lazainy eto dia ilay lazaina amin’ny teny frantsay hoe dynamisme, avy amin’ny teny grika rahateo izany teny frantsay izany; izay ampiasaina eto).

Izany hoe ilay hery mitosaka ety ivelany, manova ny zavatra manodidina, mampihetsika izay zavatra mitoetra fotsiny, manosika ny rehetra hanao zavatra. Hery mitosaka toa izany ny Fanahy Masina ary mahatonga anao, hizara hafanana sy faharesen-dahatra amin’ny mpiara-belona fa tsy hitady izay nitsangana ho fakam-panahy nandresy an’i Timoty ka nahatonga azy ho kanosa tsy sahy niteny intsony araka ny hiran’i Njakatiana hoe « complexé » dia tsy afaka manao na inona na inona intsony ao anatin’izany toetra izay tsy tokony hananan’ny mpitarika izany.

Ary izany indrindra no ampahatsiahivin’i Paoly hoe : « Fanahy mahery no nomena antsika« . Fanahy ahavitan-javatra, mampihetsika, mampijoro ; ary izay no tokony ho tsaroanao ry Timoty raha hiasa ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra hianao. Kanefa io Fanahy mahery, mitarika anao hanao zavatra io dia fanahin’ny fitiavana koa izy io fa aza adino. Fa io fanahin’ny fitiavana io izany no manitsy, manamboatra ilay hery be nitosaka teo fa tsy hoe nitratrevatreva nanararaotra fahefana na tsy hieritreritra ny hafa fa izay ahavitana azy fotsiny satria matanjaka ilay hery avy ao aminy tena ka manjary tsy heverina intsony ny hafa, manjary lasa fitiavan-tena hafa (fa izaho no nomen’Andriamanitra izany fa tsy hianareo izany ka). Tsia!

Ilay fanahy mahery dia entina hitiavana, izany hoe entina hieritreretana ny hafa fa tsy hibanjinana fotsiny ny tena izay napetrak’Andriamanitra hanao zavatra, ka noho izany dia ilay hery lehibe izay mety handrava hefa koa ny farany. Dia amboarin’ny fitiavana ho tena hahasoa ny mpiara-belona, tena hampijoro ny fiangonana hahavitàna ny asan’Andriamanitra.

Anjara faharoa izay hanitsiany izany hery mitosaka izany dia lazainy hoe hery fahononan-tena (izany hoe amin’ny teny gasy moa izany dia hoe fahitana ny honony, izany hoe zavatra tena voasaina sy voaeritreritra, voadinika tsara) satria indraindray mety anjambany fotsiny ilay hery manao zavatra, hery anjambany, Ny hiafaràny, aty aoriana dia hoe : « miala tsiny re fa dia izao, hay tsy fantatro moa fa dia izao,……. » . Satria hianao tsy misaina manao zavatra, tsy mieritreritra tsara, hoe inona ny vokany, atao fa hoany fa ho any…

Tsy izany koa ny hery avy amin’ny Fanahy Masina, hery misaina, hery mandinika, mba mieritreritra tsara izay atao, raha tsy izany dia mitera-pahavoazana be lavitra noho ny tsy manao na inona na inona indray aza, ka manjary tsy araka izay nokendren’Andriamanitra azy.

Nantsoiny tamin’ny anarantsika manokana isika tamin’ny andron’ny batisa

Ry Havana, isika rehetra koa dia hitenenan’ny Tompo amin’ny alàlan’izany teny izany mba hahatongatsika hahatsiaro tena fa nofidian’Andriamanitra, nantsoiny amin’ny anarantsika manokana tamin’ny andron’ny batisa, satria notononina feno teo ny anarantsika, ary nametrahan-tanana isika. Tamin’ny fotoana hafa koa teo amin’ny fiainantsika dia efa nametrahana izany tana-maherin’Andriamanitra izany, anolorana ho antsika ny Fanahy mba tsy hihevitra isika fa ho resy tosika eo amin’ny fiaraha-monina raha misy lehibe noho isika, raha misy ngeza noho isika, avo feo, afaka manindry, afaka manery.

Iny koa isika no mitolefika, tsy mijoro ho vavolombelon’i Kristy (araka ny hoe : « aza menatra ny ho vavolombelon’i Kristy ». Mijoroa hianao, na be aza ny olona mai-vava ao an-trano ao (ianareo mpivavaka itony koa, izao ve no mba diakona, izao ve no mba mpiandry,….) misy ny olona manahirana! Dia iny hianao fa ilay fanahin’ny akanosàna no mandresy anao. Aoka ho tsaroanao fa efa nomen’Andriamanitra Fanahy mahery ahafahana mijoro hianao! ahafahana miteny hianao ! ahafahana miasa sy manompo hianao !

Ilay izy koa moa tsy hoe fitenenana fotsiny, fa asa sy fijoroana, tsy fivadihana amin’i Tompo, izay no zava-dehibe eo amin’ny fiainana amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika. Kanefa rehefa mandray izany herin’ny Tompo izany isika dia tsarovy fa hery maneho fitiavana izany, fa tsy hery izay hieritreretanao ny tena hoe tsy resy doika, ny voninahitrao no harovana, tombo-tsoa anao no tsy maintsy karakaraina. Tsia!

Hery mampandroso ny hafa

Fa ilay hery nomen’i Tompo antsika dia mba ahafahana mampandroso ny hafa satria raha tsy manao na inona na inona hianao, raha tsy miteny hianao, raha tsy manao ny fanompoana hianao, dia tsy afaka manasoa ny hafa amin’ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Fanahy Masina izay no fomba hitiavanao ny hafa, izay no fomba hampandrosoanao ny fiangonanan’Andriamanitra ary hieritreretanao ny fandroson’ny Filazantsara eo amin’ny fiaraha-monina misy anao.

Ary tahaka izany ny fahononan-tena, ny fahaizana mandinika, mieritreritra. Diniho tsara izay zavatra hatao mba tsy hanenenana, mba tsy ho lany andro amin’ny fialàn-tsiny rehefa avy eo, satria voa-hevitra tsara araka ny saina nomen’ny Fanahy Masina antsika.

Tsy fahavalon’ny fisainana ny Fanahy Masina

Satria Fanahy mampisaina, tsy fahavalon’ny fisainana velively ny Fanahy Masina. Ary io no tsy maintsy ahintsitsika : hoe ny anao izany toa saina be fotsiny! Fa angaha ny Fanahy Masina tsy misaina? Donto be angaha ny Fanahy Masina ? Ny Fanahy Masina ry Havana manome fahendrena, manome rà ny saina, ahafahanao mandinika, manadiady, fa tsy fahavalon’ny fisainana ny Fanahy Masina izay raisin-tsika avy amin’i Jesoa Kristy. Fa tsy hoe rehefa maizin-tsaina, tsy mandinika, tsy manadiady, tsy mifandresy lahatra, dia hoe izay no manana ny Fanahy Masina.

Tsy azon-tsika ekena izany ary mifanohitra amin’izao fanambaran’ny tenin’Andriamanitra izao izany. Ka noho izany dia hevero ny zavatra hatao, rafeto tsara ny dingana hizorana, karakarao tsara ny fandaminana ny fikambanana, ny sampana, ny fiainam-piangonana, na ny fiainanano manokana satria nampianarin’Andriamanitra hisaina hianao, efa nomeny hery ho ampiasaina amin’izany, mba tena hahasoa tokoa amin’ny fiainanao izany. Ary ahafahanao mijoro, ho mpanompon’Andriamanitra tsy mahazo tsiny eo amin’ny tany ama-monina izay ametrahan’Andriamanitra anao.

Hafatra farany

Enga anie izany hafatry ny apostoly izany no hitari-dàlana antsika ka isika tsirairay avy avy eo dia samy afaka hiteny tahaka an’i Paoly hoe : « Ka tsy menatra aho satria fantatro izay inoako ». Satria misy fahalalàna vaovao an’Andriamanitra ao anatin’izany fankatoavana , izany fampiasana ny hery nomeny izany, amin’ny alalàn’ny fitiavana sy ny fandinihina ary ny fieritreretana tsara.

Dia fantatrao fa ilay Andriamanitrao hay Andriamanitra afaka manova ny fiainanao, afaka mampivoatra ny toe-javatra manodidina anao ary mitondra fanantenana amin’ny olona kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao. Tsarovy ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo anao. Ampiasao izany fa hery lehibe tian’Andriamanitra hanovàna izao tontolo izao, ny fo vaton’ny olona hanjary ho fo nofo andray an’i Jesoa Kristy.

Amen.

Alahady 31 may 2009 PENTEKOSTA,
Mpitandrina Dr RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo


Lire aussi

26/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay

Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10  » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho

19/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny ray, alahadin’ny Vokovoko manga

Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12  » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona

12/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho

Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny

05/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Pentekosta 2022 : feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana

« Miorena tsara, aza miova » Alahady Pentekosta 05 Jona 2022, fankalazana an’Andriamanitra tamin’ny nandrotsahany ny Fanahy Masina voalohany tamin’ny fiangonana; tsingerintaonan’ny fiangonana ihany koa satria feno 1989 taona ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny apostoly 4 : 31 « Ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany,

02/06/2022 A la une . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana 2022

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka

29/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny reny 2022

Alahady 29 mey 2022, ankalazana ny fetin’ny reny ka nitondra am-bavaka manokana azy ireo androany teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny Sekoly Taninketsa no nitondra ny toriteny an-kira nandritra izany fanompoam-pivavahana izany. Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany : Manantitra ny firariantsoa ho an’ny reny izahay eto amin’ny site web, ho feno fifaliana sy fahasoavana avy

22/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo

Alahady 22 mey 2022, andinihina ny lohahevitra hoe « Manavao ny Fanahy masina« , ka nitondran’ny tarika Ny mpitory toriteny an-kira araka ny Galatiana 5 : 16 – 25 « 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra

15/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa

Alahady 15 mey 2022, « Manavao ny fanahy masina », lohahevitra amin’ity volana ity eto anivon’ny FJKM , itondrana am-bavaka ny mpiasa hiombonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 35 : 31 « ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa« .  Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana

08/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . SLK . Toriteny

Toriteny an-kira nentin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, faha-15 taona SLK Ambavahadimitafo

Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

03/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Randrianarisoa Alain . Toriteny

Alahady fanokafana ny faha-25 taona nitandremana

Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :