FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Publié le 19 novembre 2023 à 09:11

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo« 

Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery izay eny amin’ny lanitra.26Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.

Fanoharana ny amin’ny aviavyMat 24.32-36;Lio 21.29-3328Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina izy dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy.30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. 31Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko dia tsy mba ho levona.

Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny andro sy ny ora
32Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.Mat 25.13-15;Lio 19.12-1333Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana. 34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. 35Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory. 37Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena. « 

Andeha hiombona main’izany fotoana izany :


Lire aussi

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany