Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo
Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16 » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana aho ka hitana ny tehin’Andriamanitra et? an-tanako. 10Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy, ka niady tamin’ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. 11Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. 12Fa efa vizana ny tanan’i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ny anila, ary ny iray kosa tamin’ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ny masoandro. 13Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra. 14Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty eo amin’ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ny lanitra. 15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. 16Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’i Jehovah amin’ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara mandimby. «
Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :