Alahadin’ny AFF : Salamo 96
Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah ry tany rehetra. 2Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly. 3Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.4Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ny Andriamanitra rehetra. 5Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. 6Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ny fitoerany masina. 7Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah. 8Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. 9Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. 10Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ny fahamarinana Izy.«
Manàsa anao hiombona @izany fotoana izany :