FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

28 novambra 2010 – Advento I

28 novambra 2010 – Advento I

Publié le 28 novembre 2010 à 01:11

Raha mbola miandry ny olona ka nisalasala ary tsy afaka nanavaka an’i Jesoa sy Jaona Mpanao Batisa dia efa afaka namaky izay tao an’eritreritr’izy ireo sahady i Jaona. Io fahafantarana ny zava-miafina ao ambadiky ny hita maso io no maha Mpaminany an’i Jaona, ilay Mpaminany farany indrindra mialoha ny fihavian’i Jesoa. Io fiandrasana an’i Jesoa io no vontoatin-kafatry ny Advento saingy nirahina ny Mpaminany Jaona hitarika ny olona hifantoka amin’ny Ilay ho avy dia ny Mesia; Ilay voahosotra hamonjy izao tontolo izao. Samy miandry fanovana sy fanatsarana ny zava-misy isanandro isika ary miaina ao anaty fitaintainana mandrakariva noho ny herisetra sy ny tsy fahampiana ary ny endri-pahafatesana manindrontsindrona sy te-hitelina antsika velona. Ny mampiavaka ny kristianin’ny Advento sy ny mpiangona mivavaka amim-pahazarana dia ny fifantohantsika amin’Ilay ho avy; Ilay mahery noho Jaona, i Jesoa Ilay hanome ny Fanahy Masina ary hameno ny banga amin’izay tsy vitan’i Jaona. Jaona izay manao Batisa amin’ny rano ihany. Ny afo eto dia voambolana ilazan’i Jaona ny lela mitarehin’afo hilatsaka amin’ny Mpianatra; saingy mbola nandrasana ihany koa ny filatsahan’izany. Tsy nomena anefa ny Fanahy Masina raha tsy tamin’ny andro pentekosta ary nomena mba hanefan’ny mpianatra ny zara fanompoany. Ny Batisan’ny rano ataon’ny Fiangonana ankehitriny dia miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina ny zaza sy ny olon-dehibe atao batisa. Ety an’efitra isika ankehitriny; tsy misy fitsaharana; tsy misy famonjena ary tsy fantatra izay avoaky ny ampitso. Saingy hafa kokoa izay miandry satria efa nomena azy ny Fanahy fa tsy mba toy izay  tsy mahatsiaro fa nandray  izany Fanahy izany. Avelao hanjaka ao am-ponao ny Fanahy Masina ry Havako!

Ny Mpitandrina anareo  Dr Rakotoniera Christian Eric


Lire aussi

25/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy manome fahefaha izay olona irahiny

Alahady 25 septambra 2022, handinihina farany ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana« , hitondrana am-bavaka ny FFP na Fikarohana sy Fandalinam-pinoana. Ny mpitandrina Ranaivoson Bodo Hanitriniaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 10 : 1-10  » 1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka

18/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tanteraho ny fanompoanao

Alahady 18 septambra 2022, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana », alahady nanatanterahan’ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Randrianasolo Elinah avy ao @ FJKM Ampasimpotsy Betela no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny 2Timoty 4 : 1-8  » 1Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary

11/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho

Alahady 11 septambra 2022, mbola andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Mikeleza aina @ asa fitoriana », hitondrana ny Sampan’asa Fitoriana ny filazantsara. Ny mpitandrina Ramangarivo Zoly no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Lioka 4 : 43 :  » Nefa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny

04/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mikeleza aina @ asa fitoriana

Alahady 04 septambra 2022 andinihina lohahevitra vaovao amin’ity volana ity « Mikeleza aina @ asa fitoriana« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 10:1-7 « 1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay

28/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitafia fanetre-tena, aza manahy ary tohero ny devoly

Alahady 28 aogositra 2022, andinihina farany amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana »; ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IPetera 5 : 5-9 « Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa « Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome

21/08/2022 A la une

Jesoa mampianatra ny olona handinin-tena

Alahady 21 jona 2022, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« . Ny mpitandrina mpiomana taona faha-5 Randriambola Vonjy Arison no nitondra ny hafatr’Andriamanitra nalaina avy ao amin’ny Jaona 10:31-42 : « 31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny

14/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah, Izy no Andriamanitra

Alahady 14 Aogositra 2022, alahadin’ny martiora, mbola andinihantsika FJKM ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitory ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny 1Mpanjaka 18;21-39 : «  21Ary dia nankeo amin’ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha

07/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany

Alahady 07 Aogositra 2022 hibanjnana lohahevitra vaovao indray : « Tano mafy ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 8; 34b « Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany ka hanaraka Ahy« . Manasa anao hiombona @ fotoam-pivavahana :

31/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iorenana @ finoana ny fanompoana

« Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana »; izany no lohahevitra nobanjinina tamin’ny Alahady 31 Jolay 2022 teto @ FJKM Ambavahadimitafo itondrana ambavaka ny toeram-panomanana mpitandrina sy mpampianatra. Alahady niombonana ihany koa tamin’ny fiangonana miara-mandroso, dia ny FJKM Mandraka izay nitondran’ny mpitandrina Razafindramanga Eliarivelo ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

24/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Maty ny finoana raha tsy misy asa

Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka