Toriteny 10 aprily 2011 : Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy
Lohahevitra aprily : Mampitondra antsika ny hazo fijaliana ny Tompo
Lioka 14 :26-27 : « 26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. »
Io no teny notoriana tamin’ny alahady 10 aprily 2011; alahady natokan’ny FJKM ho an’ny sampana Dorkasy manerana ny Nosy : « Dorkasy mitondra famonjena »; izany indrindra no lohahevitra.
Ny foto-kevitra nitondrana ny toriteny dia ny hoe :
– Dorkasy mpianatry ny Tompo
– Dorkasy mahery amin’ny vavaka