FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Nandalo vetivety fa namela dindo maharitra ny mpitandrina Rakotoharintsifa

Nandalo vetivety fa namela dindo maharitra ny mpitandrina Rakotoharintsifa

Publié le 12 avril 2011 à 09:04

MARTURIA VAVOLOMBELONA : Nandalo vetivety fa namela dindo maharitra !

Ny Talata 22 Desambra 2009 no nandao ny fanompoany tety an-tany Atoa RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo. Mpitandrina ny FJKM Ambavahadimitafo izy izao nodimandry izao. Mpampianatra ao amin’ny Fakiolte Teolojika Ambatonakanga ( Testamenta Vaovao), sady Mpampianatra Sosiolojia momba ny Fivavahana eny amin’ny Oniversity Antananarivo. Ndriana no niantsoan’ny fianakaviany azy ary Tovo ho an’ny ivelany.

Fanokanana ho mpitandrina

Fanokanana ho mpitandrina

Iray amin’ireo vitsy amin’ny Mpitandrina Malagasy to teny eran-tany izy, indrindra ny sehatry ny Testamenta Vaovao. Ary ny Fiangonana eto an-toerana dia nila hevitra taminy hatrany tamin’ny zavatra maro dia maro, satria dia olona manana fahaizana marolafy sady avo lenta ny lehilahy. Nahazo ny Doctorat en Théologie tao Lausanne Suisse izy ny taona 1996, ary laureate tamin’izany. Nanova ny fampianarana teolojia ny fisiany tao amin’ny Faculté noho ny fahaizana sy traikefa nananany.
Indreto aroso amintsika ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo nifanerasera taminy:

RASENDRAHASINA Lala, Mpitandrina sady Filohan’ny FJKM: “Olona diso mahitsy loatra” amin’ny fitenenna izy, ary manana fahasahiana. Tsotra na malalaka loatra koa izy amin’ny fisehoana ivelany. Manakiana izy sady manome fanatsarana izay kianiny.

RAVALOMANANA Charlotte, Mpitandrina sady Sekretera akademika faculté de théologie: “tsy nahay nionona tamin’ny fikarohana hita izy, fa nikatsaka izany hatrany, indrindra ny fikarohana hita farany. Sarotiny amin’ny fanajana ny Soratra Masina izy, toy ireo biblistae maro. Nanamora ny asan’ny Faculté ny nananana azy tao.”

TEHINDRAZANARIVELO D. Emmanuel, Mpampianatra faculté: “olona tia boky tokoa izy, mianatra ary misokatra mihaino ny hafa. Rehefa voarany ny hevitrao, dia haveriny hiadiany hevitra aminao indray izany, fa tsy mionona amin’izay voarainy izy. Fikarohana ny tsara hatrany sy ny tsara indrindra izany toetrany izany.

RAKOTOVAO Andrianjaka, Mpitandrina nitaiza azy: nampianatra azy ho tia boky aho ary nilazany ny tenany taty aoriana ho “voalavo mihinam-boky”. Izy no nahatafita ireo zandriny 3 lahy, satria dia kamboty ray sy reny izy raha mpiomana ho mpitandrina: Ndriana (na Tovo). Ny fampianarana teny rosiana tao amin’ny Lycée Galliéni, no nandraisany karama tamin’izany.

RAMINO Paul, Mpitandrina, Mpampianatra azy: “Tamin’ny taona 1984 dia izaho no Mpampianatra voatendry hitarika azy tamin’ny asa fikarohana hahazoana ny mari-pahaizana Licence en Théologie, tao amin’ny Faculté Ambatonakanga: “L’avènement de Jésus-Christ selon Saint Paul”. Efa tsikaritro tamin’izany fa mpianatra ho lasan-davitra ity tovolahy ity. Ny zana-tohatra nodinganiny teo amin’ny fianarana sy fampianarana teolojia na teto Madagasikara na tany ivelany ary ny andraikitra notanany teto amin’ny FJKM, dia nanamarina izany”.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny Synoda Lehibe roa farany: “Tamin’ny nitarihanay ny Synoda Lehibe, dia olona filan-kevitra mahatoky izy, saingy dia mpanitsy sady mahitsihitsy fiteny izay koa.”

RABEFIRENENA Velotiana, Mpitandrina vao nivoaka
: “olona manam-panahy sy fahalalana izy, miezaka hatrany ny hitomboan’ny hafa amin’ny fahalalana ny Soratra Masina. Olona fakan-tahaka izy amin’ny fiezahana amin’ny fampitomboana ny tena sy ny hafa”.

MARTURIA VAVOLOMBELONA – 14 Janoary 2010


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.