FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Randrianarisoa Alain

Hafatry ny mpitandrina noho ny fetim-bokatra 2020

Publié le 30 juin 2020 à 12:06

Indro ny fanentanana avy amin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain noho ny fotoana manokana eto amin’ny fiangonana amin’ny alahady 5 Jolay 2020 : Fetim-bokatra Manana fanontaniana va ianao momba ny fetim-bokatra? Manàsa anao hametraka ny fanamarihana eto ambany.

» Tohiny...

Aoka hasehony amin’ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena

Publié le 28 juin 2020 à 04:06

Alahady 28 Jona 2020, alahady fahatelo manaraka ny trinite, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mihavàna ao @ Tompo ». Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Rakotoarisoa Alain dia nalaina tao amin’ny Jakoba 3 : 13-18 : « 13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana

» Tohiny...

Fetim-bokatra 2020, fetim-bokatra miavaka tokoa noho ny hamehana ara-pahasalamana

Publié le 27 juin 2020 à 01:06

Tanterahina ny Alahady 05 jolay 2020 ny fetim-bokatra, izay anisany miantoka ny ara-bolan’ny fiangonana mandritra ny taom-piasana. Hihavaka ny fanataterahan’azy amin’ity noho ny hamehana ara-pahasalamana afitsoky ny covid-19…

» Tohiny...

Mihavàna haingana

Publié le 21 juin 2020 à 05:06

Fotoam-pivavahana Alahady 21 Jona 2020 teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, fankalàzana ny faha-185 taona nanoratana ny baiboly tamin’ny teny malagasy; alahadin’ny zokiolona sy fetin’ny Ray. Fa manan-kambara aminao koa Andriamanitra anio : « 25 Mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara

» Tohiny...

Ny alahady 5 jolay 2020 izao ny Fetim-bokatra 2020

Publié le 19 juin 2020 à 06:06

« Ary toy izany koa ianareo ; raha fatra-paniry ny zava-panahy , dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. » (I Kor 14 12) Ho antsika mpianakavy amin’ny finoana eto Ambavahadimitafo sy ireo zanaka ampielezana rehetra. Antony : Fetim-bokatra 2020 Ry havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa. Araka ny efa fantatsika dia amin’ny

» Tohiny...

Aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany

Publié le 14 juin 2020 à 06:06

Alahady 14 jona 2020, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mihavàna ao amin’ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 2 : 1-4 : 1 Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, 2 dia tanteraho ny

» Tohiny...

Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina

Publié le 07 juin 2020 à 08:06

Alahady 07 Jona 2020, hibanjinana indray ny lohahevitra hoe « Mihavana ao amin’ny Tompo« . Miarahaba ny reny rehetra koa nahatratra ny Fetin’ny reny 2020, ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo. Ny Salamo 133 na salamo fiakarana, hira vavaka fanaon’ny zanak’Israely rehefa hiakatra ao Jerosalema, no nangalan’ny mpitandrina Rakotoarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra anio : Endrey, tsara sady mahafinaritra

» Tohiny...

Fisaorana avy amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain, pentekosta 2020

Publié le 05 juin 2020 à 06:06

Ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao, Deo 23 : 15. Mitondra ny teny fisaorana ny mpitandrina Randrianarisoa Alain noho ny ezaka trano fidiovana izay vita…

» Tohiny...

Fanompoam-pivavahana Pentekosta 2020

Publié le 01 juin 2020 à 08:06

Miarahaba anao nahatratra ny Pentekosta 2020! Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain amin’izao Alahady Pentekosta izao dia nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 4 : 8 – 12 8 Ary feno fanahy masina i Petera, ka namaly hoe: « Ry mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany! 9 Raha fotopotorana izahay androany satria nanao soa olona kilemaina, ka anontaniana

» Tohiny...

Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina

Publié le 24 mai 2020 à 06:05

Anio alahady 24 mey 2020 dia fianarana soratra masina no nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain teto @ FJKM Ambavahadimitafo : « Dia nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay

» Tohiny...