SLK

Sampana Lehilahy Kristianina

Fifampiarahabana taom-baovao

Ny Sampana Lehilah Kristiana (SLK) dia miantso ny mpikambana ao aminy sy izay maniry hanatevin-daharana ny fikambanana fa ny fifampiarahabàna ny taona 2010 dia hotanterahina ny alahady 7 Martsa 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Niarahaba ny Reny ny Sampana Lehilahy Kristiana noho ny Fetin’ny reny

Nirary soa sy nanolotra fanomezana ny reny tao am-piangonana ny SLK Toy ny efa fanao dia nanolotra fanomezana sy fiarahabana manokana ho an’ny reny ny Sampana Lehilahy Kristiana. Teny fiarahabana : Amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy Tompo no hiarahabanay anareo Renim-pianakaviana … Vakio

Programan’ny SLK

Hetsiky ny Sampna Lehilahy Kristiana – Hanao fitsangatsanganana eny Ivato (tokantranon’Atoa Andriambao Hery) ny SLK ny 12 mai 2008 – Amin’ny 18 mai 2008 kosa dia hisy fandalinam-pinoana ataon’i Pasitera Andrianary Jean Philemon (mpiza-draharaha eto amin’ny fiangonana)

Nijoro ny Sampana Lehilahy Kristiana – 13 mey 2007

Resadresaka nifanaovana tamin’ny Filohan’ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)Ambavahadimitafo,RAVELOJAONA Feno Niriana Hoviana no niforona ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)? Tamin’ny taona 1982 no niforona ny SLK teo amin’ny sahan’ny FJKM manerana an’i Madagasikara. Fa ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia … Vakio

Nitsangana ny Sampana Lehilahy Kristiana

Tafatsangana tamin’ny 13 mey 2007 (fankalazana ny fihorenan’ny SLK teo amin’ny ny sahan’ny FJKM) teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Sampana Lehilahy Kristiana. Izy izany no sampana nihorina farany. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana izany sampana izany: Filoha … Vakio