Tanora

Fikambanana tanora

Famaranana ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIII

Tsangambato

Nofaranana ny Alahady 03 Oktobra 2010 teo ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIIIè eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ka tamin’izany no nanolorana ny Fiangonana ireo Tsangambaton’ny Jobily.
“Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra » (Da 12/3a)” Vakio

Fifampiarahabana taom-baovao

Ny Sampana Lehilah Kristiana (SLK) dia miantso ny mpikambana ao aminy sy izay maniry hanatevin-daharana ny fikambanana fa ny fifampiarahabàna ny taona 2010 dia hotanterahina ny alahady 7 Martsa 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Programan’ny STK ny 27 Febroary 2010

Tontosa tsara ny fivoriam-ben’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) voalohany tamin’ity taona 2010 ity ka maneho etoana ny fisaorana ho an’izay nanatrika izany. Mbola mitohy kosa ny fanomanan-tena amin’ny baolina kitra ka ny fotoana manaraka dia amin’ny asabotsy 27 Febroary 2010 … Vakio

Mikarakara fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny SAMPATI

Ho fanohizana ny fankalazana ny jobily faha-60 taonan’ny SAMPATI XIII, dia fifaliana ho an’ny komity no manasa ny sampana velona rehetra eto amin’ny fitandremana handray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay kasaina hatao mandritry ny volana may 2010 ho avy izao. … Vakio

Lalao ara-panatanjahan-tena STK

Tontosa soamantsara ny lalao ara-panatanjahan-tena izay nokarakarainy ny asabotsy 13 febroary 2010 teny amin’ny kianjan’Ankatso, koa isaorana feno ireo tonga rehetra namaly ny antso. Mbola hitohy ny asabotsy 20 febroary 2010 ny entrainement an’ny tanora amin’ny basket sy foot izay … Vakio