Lehibe

Fikambanana olon-dehibe

Sarin’ny VFL vitsivitsy

Jereo eto ireo sary vitsivitsy nandritra ny fivorian’ny Vondrona Fototra Laika eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo Vakio

Sarin’ny Chorale zokiny vitsivitsy

Hitanao ato n sarin’ny Chorale Zokiny eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nandritra ny fivoriana sy ny fandraisan’anjara tao am-piangonana Vakio

Ny Antoko Mpihira Zokiny eto amin’ny fiangonana

chorale-zokiny

Nifanojo indrindra tamin’ny fanirianay ny mba hananan’ny Fiangonana Ambavahadimitafo Antoko Mpihira Zokiny ny fanirian’ny olon-dehibe vitsivitsy teto amin’ny Fiangonana ka nahafahana nampijoro (tsy mbola voatokana tsy akory) ny Antoko Mpihira Zokiny. Nihira voalohany tamin’ny 25 desambra 2010 izy ireo ka … Vakio

Nanolotra fanomezana ho an’ny Lolohan’ny Fiangonana ny Sampana Tanora Zokiny

Isaorantsika ny Sampana Tanora Zokiny  FJKM Ambavahadimitafo nikarakara sy nanolotra fanomezana ho fanampiana ireo lolohan’ny Fiangonana ny 23 Desambra 2010 nanomboka tamin’ny 9 ora maraina no nizarana izany tao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Fifampiarahabana taona 2010

Antsoina izy ireo sy izay maniry hanatevin-daharana ny fikambanana mba hanatrika ny fifampiarahabana izay atao ao amin’ny Akany ny asabotsy 27 Febroary 2010 amin’ny 15h. Hisy ny “échanges de cadeaux” sy ny fiarahabana ireo mpikambana feno 70 taona. Samy mitondra … Vakio