AFFA

Asa fitoriana ny Filazantsara ho an’ny ankizy sy ny Zatovo

Hahemotra amin’ny 21 Mars 2010 ny famaranana ny faha-25 taonan’ny AFFA

Isaorana Andriamanitra lehibe fa tanteraka ny Vokatra izay nataon’ny Sampana AFFA ny alahady 7 Febroary 2010. Isaorana ihany koa isika rehetra izay nandray anjara tamin’izany, Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo. Araka ny fivoriana tamin’ny heriny tamin’ny firaisan’ny sampana dia … Vakio

Hamarana ny faha-25 taonan’ny AFFA

Ny faha 28 Febroary 2010 dia amarana ny fankalazana ny faha 25 taonany ny AFFA. Koa manasa antsika izy ireo hiara hiombom-bavaka amin’io alahady io. Mbola misy hatrany ny fandraisana ny ankizy vaovao izay te hiditra amin’ny sampana

Hanantanteraka “la retraite” ny mpiandraikitra AFFA

Toy ny fanao isan-taona dia hanantanteraka “la retraite” na “fisintonan’ny mpiandraikitra” ny mpiandraikitra ao amin’ny AFFA ny 27, 28, 29 Novambra 2009. Ny toerana hanaovana izany dia eny Betela Ambohimangakely, izany dia hanasàna ny mpiandraikitra rehetra. Ny mpiofana ho mpiandraikitra … Vakio

Fisaoarana avy amin’ny AFFA noho ny fety 25 Oktobra 2009

Ny sampana AFFA dia maneho fisaorana antsika ray aman-dreny , ny MAMRE , ny mpitandrina mpanampy tamin’ny fanantanterahana ny fety famaranana izay natao ny 25 oktobra 2009 , Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitioa anareo . Ny sampana AFFA dia … Vakio

Famaranana ny taona 2009

Ny Sampana AFFA dia faly manasa antsika fiangonana amin’ny fety famaranana ity taona 2009 ity. Izany dia ho atao ny 25 Oktobra 2009 amin’ny 14h30 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.