Rihana

Actualités

Vokatra faradoboka ho an'ny Rihana natao rakitra manodidina ny alahady 01 marsa 2009

Ar 6 217 370 no vokatra voaangona raha Ar 1 000 000 teo no tanjona!
Vokatra faradoboka ho an'ny Rihana natao rakitra manodidina ny alahady 01 marsa 2009

Tatitra nataon'ny Filohan'ny Komity faha-X taona :

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tanteraka soa-aman-tsara ny rakitra vokatra notanterahina tamin'ny alahady 01 marsa 2009 teo. Toa izao ny vokatra azo tamin'io rakitra manodidina io :

Ar 6 217 370 na 31 088 350 Fmg

Rehefa natao ny kajy dia Ar 233 939 490 ny ezaka vita hatramin'izay ary dia tapitra voaloa daholo ny trosa rehetra.

Ny sisa an-tanana dia mbola misy Ar 4 473 817 izay ho entina hikarakaràna ny fanokanana ny Rihana amin'ny 23 sy 24 mai 2009.

Nomarihina fa efa azo jerena eo amin'ny peta-drindrina ny lisitr'ireo izay nandray anjara tamin'ny fanatontosana ny Rihana, ary vonona koa ny solontena ao amin'ny komity hizara rosia ho an'izay rehetra mila izany.

Fisaorana tanteraka no natolotry ny filohan'ny Komity faha-10 Taona ary nitsangana nihoby tamin'ny alàlan'ny tehaka mirefodrefotra ny vahoakan'Andriamanitra rehefa vita izany.

Publié le 13/03/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Rihana
Déposé par samy le 18/03/2009 à 06:10:24
Miarahaba azo tsinjaraina isam-bolana ve ny ezaka vita hatrany am-piandohan'ny "RIHANA" araka ny sokajy vola miditra sy vola mivoaka ( évolution de la situation mensuelle de trésorerie : recette cumulée Ar 233 939 490 et solde Ar 6 217 370 ) Mirary soa Samy

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis