Rihana

Actualités

Vita tanteraka ny famerenana ny volan'ny rihana

Inty no tatitra farany ataon'ny Komity faha 10 taona sy fananganana rihana momba ny teti-bolan'ny rihana
Vita tanteraka ny famerenana ny volan'ny rihana

Vita tanteraka ny famerenana ny vola rehetra nindramina noho ny fananganana ny rihana.

Izay indrindra no moa no tanjon'ny fiangonana mialohan'ny nanaovana ny fanokanana tamin'ny 23 sy 24 may 2009 teo.

Nahatratra Ar 239 333 423 (na 1 196 667 114 Fmg) eo izany ny totalin'ny vola lany tamin'ny fananganana ny rihana sy ny fanavaozana rehetra, satria betsaka tokoa ny fanavaozana natao niaraka tamin'izay fananganana rihana izay, toy ny gorodona, ny ivelan'ny fiangonana, ny jiro, ny fanamafisam-peo...

Mbola nisy vola Ar 109 595 aza eo an-tànana amin'izao

Azo marihina tao anatin'ny vola niditra ohatra :
- ny totalin'ny fanomezana izay nahatratra Ar 68 276 770,
- ny totalin'ny rakitra faharoa natao ho an'ny rihana izay nahatratra Ar 27 586 727

Tsindrio eto raha hijery ny andinindininy rehetra izay nomen'ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny Komity faha 10 taona (Rambinintsoa Roger) ianao

» Voir le document annexe (état,rapport,détails...)

Publié le 26/05/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Rihana
Déposé par samy le 03/06/2009 à 06:22:41
miarahaba mba sokafy azafady ny Tatitra ara-bolan'ny rihana - 30 Novambra 2008 - mba ho ampitahaina amin'ity tatitra farany ity Misaotra sy mirary soa Samy

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis